Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

33 of 665 cards

Clear filters
“ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy maintsy homena Azy eto an-tany ary hovalian-tsoa amin’izany ihany koa Izy any ankoatra ”, Fa ny Olona tsy Mpino kosa, dia vokisana ny asa soa nataony ho an’i Tompo Allah teto an-tany, mandra-pahatongany any amin’ny fiainana any an-koatra, dia tsy manana asa soa homena Azy intsony rehefa tonga any Izy ”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
" Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe", nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Izany dia efa ampy. Namaly Izy ka nanao hoe : " Sivy ambin'ny Enimpolo avo heny ka ny iray amin'izany dia tahakan'ny hafanany ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy iray nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny ora farany manao hoe : Rahoviana ny ora farany? dia namaly izy : “Mba inona no nomaninao ho amin’izany?” Hoy ilay rangahy : Tsy misy na inona na inona afa-tsy ny fitiavako an’I Allah sy ny irany. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "ianao dia miaraka amin'izay tianao". Hoy i Anas : Tsy nisy teny nahafaly anay mihoatra io tenin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Ianao dia miaraka amin’izay tianao". Mbola niteny i Anas manao hoe : "Tiako ny Mpaminany (S.A.W) sy i Abo Bakr ary i Omar, ary manantena ny hiaraka amin’izy ireo aho noho ny fitiavako azy ireo, na dia tsy manao asa soa goavana toy ny nataon'izy ireo aza aho.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray ."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manakaiky, nisokatra toy izao androany vala nanidina an’i Goga sy Magoga.” Dia nanondro ny ankihiben-tànany sy ny rantsan-tànany manaraka ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy i Zainab binti Djahsh: Ry irak'Allah ô! : Ho rendrika ve isika nefa eo amintsika ireo olona mendrika? Namaly izy hoe : “Eny, rehefa besaka ny faharatsiana.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra. ,Tsy mamany sy mangery izy ireo, tsy mandrora sns, volamena ny fihogony, misk ny hatsembohany, ary aloe vera sy manitra oud ny fandoroana azy. Ary ny vadiny dia tsara tarehy, noforonina tamin'ny fon'ny lehilahy iray, tahaka ny endrik’i Adama rainy, enim-polo hakiho miakatra any an-danitra.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niteny taminay ilay Irak' Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : Mandritra ny Efapolo andro sy alina, dia mbola tsiron’aina, avy eo miova ho lasa vaingan-dra Efapolo Andro aorian’izany, ary lasa tahaka ny nofon-kena maditidity Efapolo Andro manaraka, ka misy Anjely irahina ka manome fofon’aina Azy, ary asaina manoratra zavatra efatra dia : Ny anjarany, sy fe-potoana izay iainany, ny asa izay hataony (tsara na ratsy), ary ho anisan’ny ory sa olon-tsambatra. Misy aminareo hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao am-Paradisa (araka ny fahitan’Olona azy), ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany ny asa izay nataony Iny ka manao asan’Olona hiditra ao anaty Afobe Izy, ka maty ao anatin’izany dia lasa tafiditra any amin'ny (Afobe). Ary misy Aminareo ihany koa hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao anaty Afobe, ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany izany dia manao asan’Olona hiditra ao amin'ny Paradisa Izy dia lasa tafiditra ao ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izaho no lehiben’ny olona amin’ny andro fitsanganan’ny maty, ary fantatrareo ve ny dikan’izany? avorin’I Allah avokoa ny olona voalohany sy ny farany amin'ny toerana iray, handre ny mpiantso izy ireo ary hahita izany, ary hidina ambany ny masoandro, ny olona dia tratran’ny alahelo sy ny fahoriana ka tsy ho zakany dia hiteny ny olombelona hoe : «Tsy hitanareo ve ny manjo anareo, tsy mitady olona hanelanelana anareo amin’ny tomponareo ? Dia mifampiresaka ny olona ka miteny ny sasany hoe : Tokony ho any amin'i Adama ianareo, dia tonga tany amin'i Adama izy ireo, ary niteny taminy hoe : Ianao no rain'ny olombelona, noharian’I Allah tamin'ny tànany ianao ary nitsofony tao aminao ny fanahiny, ary nandidy ireo anjely hiankohoka teo anatrehanao, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny ? Tsy hitanao ve ny mahazo atsika ankehitriny? . Dia hoy i Adama : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy aorian'izany, ary izy efa nandrara ahy tamin'ny hazo nefa tsy nankatoa azy aho, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako. Koa mandehana ianareo any amin'i Noha. Lasa any amin’i Noha izy ireo ka niteny hoe : Ry Noha, ianao no voalohany tamin’ireo iraka ho an’ny olona eto an-tany, ary efa nomen’I Allah anarana ianao hoe mpanompo feno fankasitrahana, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy aorian'izany, ary izaho dia nangataka ratsy tamin’ireo vahoakako, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’i Abraham . Lasa tany amin’i Abrahama izy ireo ka niteny hoe : Ry Ibraham, ianao mpaminanin’I Allah sy sakaizany eto an-tany, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary izaho efa nandainga amin’ny lainga anakintelo, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Mossa. Lasa tany amin’i Mossa izy ireo ka niteny hoe : Ry Mossa, ianao Dia nosafidin’I Allah tamin’ny hafany sy ny firesahany manoloana ny olombelona, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary izaho efa nahafaty olona izay tsy nanirahana ahy hamono azy, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Issa. Lasa tany amin’i Issa izy ireo ka niteny hoe : Ry Issa, ianao Irak’Allah sy teniny nitsofony tao amin’i Mary sy fanahiny, ary niresaka tamin’ny olona teo am-parafara tamin’ny voateraka, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy nanonona fahadisoana vitany, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Mohammad. Lasa tany amin’i Mohammad izy ireo ka niteny hoe : Ry Mohammad, ianao Irak’Allah sy farany tamin’ireo Mpaminany, ary efa nofafan’I Allah ny fahotanao lasa sy ny mbola ho avy, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moave tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Dia mandeha aho ka tonga eo ambanin’ny seza fiandrianana, ary miankohoka eo anatrehan’ny Tompoko, ilay Mahery Indrindra, Ilay Lehibe,Avy eo Allah dia hanome ahy ny iray amin’ny fiderana Azy sy ny fiderana tsara izay tsy nomeny na iza na iza talohan’ny tenako avy eo dia ho lazaina hoe : Ry Mohammad, atsangano ny lohanao, mangataha dia homena ary raha mangataka fanelanelanana dia ho elanelana, dia hanandratra ny lohako aho ka niteny hoe : Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Dia ho lazaina amiko hoe : Ry Mohammad, ampidiro amin’ny Paradisa avy amin’ny vahokanao ireo izay tsy mandalo fitsarana, amin’ny vavahady havanan’ny Paradisa, ary izy ireo dia mpiara-miasa amin’ny olona ao amin’ny vavahady hafa rehetra, avy eo dia dia miteny izy : Mianiana amin’ilay mitazona ny aiko eo am-pelatànany, ny eo anelanelan'ny vavahadin'ny Paradisa roa dia toy ny eo anelanelan'i Lameka sy Himyar - na eo anelanelan'i Lameka sy Bosra -».
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim