Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

58 of 665 cards

Clear filters
"Eny tokoa, fa saro-piaro Allah, ary saro-piaro ihany koa ireo mpino, fa ny fahasaro-piaron'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino izay zavatra voarara aminy."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy andian'Olona tamin'ny mpanaradia an'ny Mpaminany (S.A.W) tonga nanontany azy ka nanao hoe : izahay dia mahatsapa zavatra mavesatra amin'ny Tenanay ny hiresaka izany, Niteny i Mpaminany (S.W.A) : " efa nahazo Anareo ve izany ? " Namaly izy ireo: Eny, Hoy Izy : " izany no fahamarinan'ny finoana ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“ Manatona ny iray Aminareo i Satana ka Miteny manao hoe : Iza no Nahary izao sy izao ? Iza no Namorona izao sy izao ? Mandra-pilazany hoe : Iza no Nahary ny Tomponao ? Koa rehefa tonga amin'izany izy, dia aoka hitady fiarovana amin’i Tompo Allah Ianao ary hitsahatra avy hatrany ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“ Aza mihoa-pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Allah no sady Iraka avy Aminy ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Nitantara Taminay i Anas ibn Màlik (R.A) fa nisy Lehilahy iray Niteny hoe : O ! Ry Mpaminan'i Allah ahoana ny fomba hahafan'ny Mpikomy handea amin'ny tarehiny ? Namaly azy i Mpaminany (S.A.W) fa hoe : " moa va ilay nampandeha Azy tamin'ny tongony roa tsy hahavita hampandeha Azy indray amin'ny tarehiny amin'ny Andro farany " ka Hoy i Qatada (R.A) : Eny, noho ny voninahitry ny Tompontsika izany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) ka Niteny Izy nanao hoe : O ! ry Irak'Allah, Inona ireo adidy lehibe roa? namaly izy ka nanao hoe : " Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe "
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Rendrika ireo mpihoam-pefy", Naveriny in-telo izany teny izany.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy maintsy homena Azy eto an-tany ary hovalian-tsoa amin’izany ihany koa Izy any ankoatra ”, Fa ny Olona tsy Mpino kosa, dia vokisana ny asa soa nataony ho an’i Tompo Allah teto an-tany, mandra-pahatongany any amin’ny fiainana any an-koatra, dia tsy manana asa soa homena Azy intsony rehefa tonga any Izy ”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim