Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

22 of 665 cards

Clear filters
Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontaniana Izy ny amin’izay tena mitondra ny Olona ho any amin’ny Afobe . ka nanao hoe : “ Ny Vava sy ny Taovam-pananahana ”.
Mari-pototra sy tsara Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
“Karazany roa amin'ireo olon'ny Afobe tsy nihitako izy ireo, ny olona manana karavasy toy ny rambon’omby ikapohana olona, ​​ary ny vehivavy ratsy fitafy sy mitanjaka, mpanome fakampanahy, tsy mivoana amin'ny tsy fanarahan-dalàna, manojonojo ny lohony toy ny trafon-drameva, tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izy ireo ary tsy haheno ny fofony, ary ny fofony dia heno amin'ny fandehanana tahaka izao sy izao.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Hoy Allah ilay Avo Indrindra : Efa nomaniko ho an’ny mpanompoko mpanao asa soa izay tsy mbola hitan’ny maso, na ren’ny sofina, ary tsy mbola noheverin’ny fon’ny olombelona hatrizay.” Hoy i Abo Horaïrah : “vakio raha tianareo : {Fa tsy misy olona mahalala izay takona aminy mba hampiononana ny masony} [Al-Sajdah: 17] .
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niaraka tamin’ny irak’Allah (S.A.W) izahay, ka nandre fidobokan-javatra izy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Fantatrareo ve izany? Hoy izahay : Allah sy ny Irany ihany no mahalala azy, dia hoy izy : «Izany dia vato natsipy tao amin'ny afobe tamin'ny taona fitopolo lasa izay, ary mivarina any amin'ny afo mandra-pahatongany any ambany indrindra».
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Izay mijoro ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona Aminy, ary i Mohammad dia mpanompony sy Irakany, ary i Jesoa dia mpanompon’Allah sy Irany, ary ny teniny no natolony an’i Maria sy fanahy avy any Aminy. Ary misy tokoa ny Paradisa, ary misy ihany koa ny afobe, dia hampidirin’I Allah ao amin’ny Paradisa izy noho ny asany”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ho entina ny olona iray amin’ny andro farany ka hatsipy any amin’ny afo, ka hiborotsaka ny tsinainy, ka hihodina manodidina azy tahaka ny ampondra mihodidina vato fikosoham-bary, ka hivory eo aminy ireo olon'ny afobe, ary hoy izy ireo: Ry ranona, inona no manjo anao? Moave tsy ianao no namporisika tamin'ny fanaovan-tsoa sy nandrara tamin'ny fanaovana ratsy? Dia hoy izy : Eny, naniraka amin'ny tsara aho fa tsy nanao izany, ary nandrara amin'ny ratsy nefa nanao izany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim