Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

20 of 665 cards

Clear filters
"Ny fanompana ny mpino silamo dia fahalotoam-pitondran_tena, ary ny ady aminy dia fikomina."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izay mpitondra resaka mampiady. ”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Mitandrema ianareo amin'ny ahiahy; Satria ny ahiahy no lainga indrindra amin'ny resaka Ary aza mifampitsikilo (tia hahalala zava-miafin'ny hafa), ary aza mifampitsikilo (tia hahalala ny kilema miafin'ny hafa), ary aza mifampialona, aza mifampiamboho, ary aza mifankahalala, ary meteza ianareo ho mpanompon’I Allah mpirahalahy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay mandainga ny amiko an-tsitrapo, dia efa nametraka ny toerany ao amin'ny Afobe".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nipetraka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nisy roa lahy nanontany, ny tarehin’iray tamin’izy ireo nivaramena ary nivonto ny lalan-drany, ka hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Fantatro ny teny iray fa raha miteny izany izy, dia hiala aminy ny olana. Raha niteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin'IAllah manoloana an'i Satana aho, dia hiala aminy ny olana" Dia hoy izy ireo taminy : ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe “Mitadiava fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana.” Dia hoy izy : Very saina ve aho?
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Teo anatrehan'i Oumar izahy ka niteny izy hoe : "Voarara taminay ny fankasarotana".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
"Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony". Niteny izy : avy eo dia namaky ny andininy masina hoe : "Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny". [hòd :102]"
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tandremonareo ny tsy rariny, fa ny tsy rariny dia ho maizina amin'ny andro farany, ary tandremo ny fahirana, satria ny fahirana no naharendrika ireo talohanareo, ka nahatonga azy ireo nandatsa-drà ary nampa-ara-dàlana ny zava-boarara".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim