Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

83 of 665 cards

Clear filters
"Nanome ohatra i Allah amin'ny làlana mahitsy, amin'ny ilan'ny roa misy tamboho, manana varavarana misokatra, ary eo am-baravarana dia misy lambam-baravarana manify, ary eo ambaravaran'ilay làlana dia misy Mpiantso milaza hoe : ry Olombelona, midira ao amin'ny làlana Ianareo rehetra ary aza misalasala, ary misy Mpiantso iray eo ambonin'ny làlana, ka raha tiany, dia hovohany ny varavarana, ka hoy Izy hoe : Lozanareo, aza sokafana, raha hanokatra izany Ianao dia ho tafiditra ao. Ny làlana dia ny finoana Islam, ilay tamboho dia fetra napetran'i Tompo Allah, ary varavarana misoka-tsokatra dia zava-boarara, ilay Mpiantso eo amin'ny làlana dia Bokin'i Tompo Allah, ary ilay Mpiantso eny amboniny dia mpananatra ao am-pon'ny Mpino rehetra ".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Ny irak'Allah dia matetika no niteny hoe : "Ry mpamadika fo, ataovy mafy orina amin'ny finoanao ny foko.", dia hoy aho hoe : O ry irak'Allah! Mino an'I Allah izahay sy izay noentinao ka matahotra ny aminay ve ianao? Namaly izy (S.A.W) : “Eny, ny fo dia eo anelanelan’ny rantsantanan’I Allah roa ka avadibadiny arak'izay tiany".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
“Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso ihany. Ary anisan’ny fisehoana ampahibemaso, ny fanaovan'ny olona zavatra amin’ny alina, dia nosaronan’i Allah izany nefa nony maraina, dia hoy izy : Nanao zavatra izao sy izao aho omaly, nefa ny tompony dia nanarona azy nandritra ny alina, ary nony maraina dia nesoriny ny fanakonan’i Allah azy”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Eny tokoa fa Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany amin’ny alina mba hamela heloka ny mpanota amin’ny atoandro, ary mamelatra ny tànany amin’ny atoandro mba hamela heloka ny mpanota amin’ny alina, mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Rehefa nilatsaka ny andininy masina hoe: {Eny, tsy maintsy hanontaniana ianareo, amin'izany andro izany, mikasika ireo anjaram-pahasoavana.} [At-Takàthor: 8] dia nilaza i Al-Zobayr hoe : Ry irak'Allah ô! Inona no karazana fahasambarana hanontaniana anay? Moave ny atrendry sy ny rano? Dia namaly izy : “Ho tanteraka izany.”
Tsara Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah
“Hoy Allah ilay Avo Indrindra : Efa nomaniko ho an’ny mpanompoko mpanao asa soa izay tsy mbola hitan’ny maso, na ren’ny sofina, ary tsy mbola noheverin’ny fon’ny olombelona hatrizay.” Hoy i Abo Horaïrah : “vakio raha tianareo : {Fa tsy misy olona mahalala izay takona aminy mba hampiononana ny masony} [Al-Sajdah: 17] .
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niaraka tamin’ny irak’Allah (S.A.W) izahay, ka nandre fidobokan-javatra izy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Fantatrareo ve izany? Hoy izahay : Allah sy ny Irany ihany no mahalala azy, dia hoy izy : «Izany dia vato natsipy tao amin'ny afobe tamin'ny taona fitopolo lasa izay, ary mivarina any amin'ny afo mandra-pahatongany any ambany indrindra».
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Aza miraiki-po amin'ny fiainana eto an-tany dia ho tian'i Tompo Allah Ianao; ary aza misahirana amin'izay eny am-pelatanan'ny Olona dia ho tian'Olona Ianao.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Notaterin'i ibn Maajah sy hafa ankoatra azy, amin'ny Isnaad Hassan.