Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

83 of 665 cards

Clear filters
“Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ouzò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah", avy eo izy namaky ity andininy masina ity : {Ary ireo rehetra izay nanao fahavetavetana, na koa nanao ny tsy rariny tamin'ny tenany; ka mahatsiaro an'Allah dia mangataka avy hatrany ny famelan-keloka taminy noho ireo heloka vitany} [Ãl Imran: 135].
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
"Aseho amin'ny endrika ondry lahy mana-tandroko ny fahafatseana dia hiantso ny mpiantso ny amin'ny hoe : O Ry vahoakan'ny Paradisa, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, dia hoy Izy hoe : fantatrareo va ity ? Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, Satria ny rehetra dia efa nahita an'izany. Avy eo dia misy miantso hoe : Ry vahoakan'ny Afobe, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, ary niteny hoe : fantatrareo va ity ?, Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, ary ny rehetra dia efa nahita an'izany avokoa. Avy eo dia hovonoina Izy dia holazaina ny hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa hitoetra ao mandrakizay Ianareo ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, Ry vahoakan'ny Afobe hitoetra ao mandrakizay Ianareo ka tsy misy intsony ny fahafatesana. Avy eo Izy namaky ny andininy Soratra masina hoe : { Ampitandremo izy ireo amin'ny fotoan'ny fatiantoka rehefa tapaka ny raharaha rehetra nefa izy ireo dia varina } [Mariam 39], izy ireo dia varina teto an-tany { ary izy ireo dia tsy Mino } [Mariam 39]".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay mangataka amin'I Allah ho maty maritiora amin'ny fahamarinana, dia homen'I Allah azy ny toeran'ny maritiora, na dia maty eo am-pandriany aza izy."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika .” ka Niteny avokoa ireo Mpanara-diany Mpaminany ( S.A.W) manao hoe : Ry iraka mahafatokin'i Allah O ! ka mba inona avokoa moa ary izy ireo? dia namaly Izy ka Niteny hoe : “Ny fanakambanana ny fanompoana an’i Allah amin'ny zavatra hafa, ny filalaovana ireo Aody mahery, ny famonoan'Olona tsy amin'ny rariny izay noraran’i Tompo Allah afa-tsy amin’ny fahamarinana ihany, fihinana ny zana-bola, fihinana ny volan’ireo kamboty, ary fandosirana amin’ny Ady masina, fanendrikendrehana ireo vahoaka Mpino vavy madio ara-mpitondran-tena .”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Hiantso ny mpiantso manao hoe : Anareo dia ho salama ka tsy harary intsony, ary anareo ho velona ka tsy ho faty intsony, ary anareo ho tanora ka tsy ho antitra intsony, ary hosoavina ianareo ka tsy ho ory intsony" Izany dia ilay tenin'Allah manao hoe : {Ary antsoina ianareo ary hampidirina ao amin'ny Paradisa ianareo valin'izay nataonareo } [Al-A’raf: 43].
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Tsy misy biby, na vorona, na androngo, na tsintsina, fa mandosira ireo boka ianareo tahaka ny fandosiranao ny liona."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Fahombiazana ho an'izay niditra amin'ny finoana silamo, ary nomena anjara ampy azy ary afa-po amin'izay nomen'I Allah azy."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ny ohatry ny namana tsara sy ny namana ratsy dia toy ny mpivarotra ranomanitra Misk sy mpanefy vy, ny mpivarotra Misk : na omeny ianao na mividy aminy na maheno fofona manitra fona, fa ny mpanefy vy : na mandoro ny lambanao, na maheno fofona ratsy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim