Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

83 of 665 cards

Clear filters
"Jereo izay ambany aminareo, ary aza mijery izay ambony aminareo, fa tsara kokoa raha tsy manao tsinontsinona ny fitahian'I Allah aminareo."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay midina avy any an-tendrombohitra ka mamono tena dia ho ao amin’ny afobe, hitoetra ao mandrakizay, ary izay misotro poizina ka mamono tena, dia ho eny an-tànany ny poizina, ho tsapany ao amin’ny afobe izany, ary izay mamono tena amin’ny vy dia ho eny an-tànany ny vy, ka hampidiriny ao an-kibony ao amin’ny afobe mitoetra ao mandrakizay".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra?”naveriny in-telo". Hoy izy ireo namaly: “Eny, ry irak’i Allah.” Dia hoy izy : “Ny fampirafesana an'I Allah, ny tsy fanajana Ray aman-dreniny.” Nipetraka izy no sady niakina ka niteny hoe : “Tandremo ny fijorona vavolombelona amin'ny lainga.” Tsy nitsahatra namerimberina izany izy, ka nahatonga izahay niteny hoe : Enga anie izy mba hangina.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Niatomboka ny finoana Silamo toy ny vahiny, ary hiverina amin'ny fomba niandohany toy ny vahiny ihany koa, ka sambatra ireo vahiny."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Meteza ianao eto an-tany ho toy ny mpivahiny na mpadalo fotsiny" Ary i Ibn Omar dia niteny hoe : Raha mahatratra ny hariva ianao dia aza miandry ny maraina, ary raha mahatratra ny maraina dia aza miandry ny hariva, ary araraoty amin'ny fahasalamanao ny aretinao, ary araraoty ny fahavelomanao ho amin'ny fahafatesanao.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
“Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”.
Tsara Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
"Olona fito no ahazo halokaloky ny tompo Allah amin'ny andro izay tsy misy haloka afa-tsy ny halony irery ihany : Mpitarika amin'ny làlana mahitsy, tanora voataiza tao anatin'ny fanompoana an'I Allah, olona nanankina ny fony amin'ny Moske, olona roa nifankatia noho ny tompo Allah ka nitambatra vokatr'izany ary nisaraka noho izany ihany koa, lehilahy iray nantsoin'ny vehivavy tsara tarehy sy mpanan-karena mba hijangajanga aminy saingy niteny hoe : Izaho dia matahotra an'I Allah, olona namoaka fanomezana tsy nirehareha; ka ny tànany havia aza tsy nahalala izay navoaky ny tànany havanana, ary olona iray nahatsiaro an'I Allah no latsa-dranomaso ka nihafara tamin'ny fahajambana".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny fahotana lehibe dia ny : Fampiombonana an'Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari