Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

7 of 665 cards

Clear filters
I Mpaminany (S.A.W) rehefa mievina dia mametraka ny tànany - na lamba - eo amin'ny vavany - na mampihena - ny feony.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Nisy lehilahy iray tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana" avy eo dia nipetraka izy, ary namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : “Folo” Dia tonga ny iray hafa ka niteny hoe : “Assalam Alaikom Warahamatollahi - Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-pon’I Allah, avy eo dia nipetraka, dia namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : "Roapolo". Ary tonga ny lehilahy fahatelo dia niteny hoe : "Assalam Alaikom Warahmatollahi Wabarakatoh - Fiadanana anie ho aminao sy famindram-pon'I Allah ary ny fahasoavany". Dia namaly azy i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : "Telopolo".
Tsara Notaterin'i Abou Daòudou sy Tirmizi sy Ahmadi ary Darimi
"Tsy misy mpino silamo roa mifanena sy mifandray tànana afa-tsy hoe mahazo famelan-keloka alohan'ny hisaran'izy roa."
Marina amin'ny fomba nitaterana rehetra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino. "
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
“Ny akanjon’ny mpino silamo dia mipaka hatrany amin’ny antsasaky ny tongony, ary tsy misy elanelana – na tsy maninona – eo anelanelan’izy io sy ny kitrokeliny, ary izay eo ambanin’ny kitrokely dia ao amin’ny helo, izay misintona ny akanjony ambany amin’ny tsy rariny, dia tsy ho jeren'I Allah izy.”
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad
" Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy ."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad