Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

59 of 665 cards

Clear filters
Nisy lehilahy iray niteny tamin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Toroy hevitra aho, dia hoy Izy (S.A.W) taminy hoe : “ Aza tezitra .” Naverimberiny im-betsaka izany dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Aza tezitra”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Nanontany an'ilay Irakan'i Tompo Allah Aho ny amin'ny hatsarana sy ny fahotana, dia hoy Izy namaly : " Ny hatsarana dia ny fahatsaran-toetra, ary ny fahotana dia izay tsy mahatony ny ao am-ponao, ary halanao ny haseho amin'ny Olona ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izay mpitondra resaka mampiady. ”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Mitandrema ianareo amin'ny ahiahy; Satria ny ahiahy no lainga indrindra amin'ny resaka Ary aza mifampitsikilo (tia hahalala zava-miafin'ny hafa), ary aza mifampitsikilo (tia hahalala ny kilema miafin'ny hafa), ary aza mifampialona, aza mifampiamboho, ary aza mifankahalala, ary meteza ianareo ho mpanompon’I Allah mpirahalahy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay mandainga ny amiko an-tsitrapo, dia efa nametraka ny toerany ao amin'ny Afobe".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny".
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontaniana Izy ny amin’izay tena mitondra ny Olona ho any amin’ny Afobe . ka nanao hoe : “ Ny Vava sy ny Taovam-pananahana ”.
Mari-pototra sy tsara Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad