Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

12 of 665 cards

Clear filters
“ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny andro ny fitsanganana amin’ny maty ”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Anisan'ny mariky ny hatsaram-pinoan'ny Olona iray dia ny famelany tanteraka sy fiatahany ireo raharaha izay tsy mahakasika Azy.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Tirmizi (R) sy ny ankoatra azy
“Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
"Ny mpino silamo dia tsy mpanindrona be, mpanozona be, mpanao vetaveta be, na mpiteny ratsy."
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì
"Anisan'ireo tiako indrindra aminareo ary akaiky ahy amin'ny andro farany dia ireny olona izay hita fa manana toetra tsara sy fitondra-tena mendrika indrindra, fa anisan'ireo olona halako indrindra aminareo sy lavitra ahy amin'ny andro farany dia, ireo olona be resaka, ireo manao tsara resaka, ary ireo " motafayhakona " dia nanontany azy ireo mpiara-diany ka niteny hoe : fantatray ireo be resaka, ireo manao tsara resaka, fa inona ary "Motafayhakona " ? dia namaly izy manao hoe : Mpanambony tena".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì
“Tsy misy zavatra mavesatra indrindra eo amin'ny mizanan’ny mpino amin’ny andro farany mihoatry ny toetra tsara, ary halan’i Allah ny vetaveta sy tsy fahamendrehana”.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì
Tsy vetaveta, tsy tia vetaveta, tsy mitabataba eny an-tsena, ary tsy mamaly ratsy amin'ny ratsy, fa namela heloka sy nandefitra.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
"Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny".
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad