Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

7 of 665 cards

Clear filters
"Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Niteny Allah manao hoe : Ny asa soa rehetra ataon'ny zanak'i Adama dia azy afa tsy ny fifehezana, Izy io dia ho ahy ary ny tenako no hamaly soa ny aminy. Ny fifehezana dia fiaro, Ka rehefa eo am-panatanterahana fifehezana ny iray aminareo, dia aoka tsy hitabataba na hiteny ratsy. Raha misy manompa azy na mitady ady aminy, dia akoa izy hilaza manao hoe: Izaho dia mifehy! Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fofon'aiko eo am-pelatànany : "Fa ny fofona ny fofom-bavan'ny mpifehy dia manitra lavitra mihoatry ny fofon'ny ranomanitra misk". Ary ny mpifehy dia manam-pifaliana anakiroa : "Rehefa hisakafo amin'ny hariva dia faly, ary rehefa hifanatrika amin'ny tompony amin'ny andro farany, dia ho faly noho ilay fifehezana nataony".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Aza mialoha ny Ramadany amin'ny fifehezana iray na roa andro, afa-tsy ny olona izay efa zatra nifehy dia aoka izy hifehy."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim