Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

24 of 665 cards

Clear filters
“Mifady hanina foana ianao ary mifoha mivavaka mandritra ny alina?” Hoy aho hoe : "Eny". Dia niteny izy : “Raha manao izany ianao, dia hamely anao ny maso ratsy ary ho marefo ny vatana", tsy misy fifehezana ho an'izay mifehy mandavan-taona, fa ny fifehezana telo andro dia mitovy amin’ny fifadian-kanina mandritra ny androm-piainany", Hoy aho : Izaho mahavita manao mihoatra izany, dia namaly izy hoe : "Mifeheza tahaka natoan'i Daod (A.S), satria izy nifehy indray andro ary mamaha indray andro, ary tsy mandositra raha sendra izany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Ny Mpaminany (S.A.W) dia efa niezaka mafy tao anatin'ny folo alina farany (amin'ny Ramadany) mihoatra ny fiezahany tamin'ny fotoana hafa.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Rehefa hitanareo izy, dia mifeheza ianareo, ary raha hitanareo izy, dia tapaho ny fifehezana, fa raha manjavozavo aminareo ny andro, dia fenoy ny isa".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Mbola mitoetra tsara ny olona raha mbola manafaingana ny fisakafoana amin'ny hariva izy ireo."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
Ny irak'Allah (S.A.W) no olona malala-tànana indrindra, ary tena hita ny fahalalan-tànany indrindra amin'ny Ramadany rehefa nihaona taminy i Jibril, ary nihaona taminy isaky ny alin'ny Ramadany ka nampianatra azy ny Kor'any, fa ny irak'Allah (S.A.W) mizara fahasoavana kokoa noho ny rivotra mitsoka.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Aza mialoha ny Ramadany amin'ny fifehezana iray na roa andro, afa-tsy ny olona izay efa zatra nifehy dia aoka izy hifehy."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim