Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

79 of 665 cards

Clear filters
Te hanamboatra moske i Othmàn bin Affàn, saingy tsy tian’ny olona izany, ary tian'izy ireo dia ny hametrahana azy toy ny teo aloha, dia hoy izy : Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho niteny hoe: “Izay manamboatra moske ho an’Allah, Allah dia hanamboatra tahaka izany ao amin’ny Paradisa ho azy”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
“Raha fantatry ny olona izay ao amin’ny antso sy ny laharana voalohany, ary avy eo dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manao antsapaka izy ireo, dia hanao antsapaka izy ireo, ary raha fantany izay ao anatin’ny fifindra-monina, dia nihazakazaka ho amin’izany izy ireo, ary raha nahafantatra izay ao amin’ny maizina sy ny maraina izy ireo, dia nanatona izany na dia nandady aza.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Nodidiana aho hiankohoka amin’ny taolana fito: Eo amin’ny handrina, ary nanondro teo amin’ny orony ny tànany, eo amin'ny tànany roa, sy ny lohaliny roa, sy ny tendron-tongotra roa, ary tsy aholona (apiakarina) ny akanjo sy ny volo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy andian-dehilahy maro tonga tany amin'i Sahl bin Sa'ad As-Sa'idi, ary izy ireo dia nifanditra momba ilay hazo nanaovana ilay polipitra,ka nanontany azy ny amin'izany izy ireo, dia hoy izy : "Miainiana amin'Allah aho, fa tena fantatro tokoa izany, ary izaho dia nahita izany tamin'ny andro voalohany nametrahana azy, sy tamin'ny andro voalohany nipetrahan'ny Irak'Allah (S.A.W) teo amboniny. Nandeha olona ny Irak'Allah (S.A.W) tany amin'ny vehivavy "Ansar" iray izay nantsoiny hoe Sahl -: “Ilazao ilay zanakao mpandrafitra handrafitra hazo ipetrahako rehefa miresaka amin’olona aho.” Dia nandidy azy izy, ka dia nataony izany, tamin’ny hazo an’ala, aorian'izany dia noentiny, ka dia nalefany tany amin'ny irak'Allah (S.A.W) izany ary nasainy nalaina ka napetrany teo amin'ny toerany. Taorian'izany dia hitako ny irak'Allah (S.A.W) nivavaka teo amboniny sy niteny hoe “Allahou Akbar” dia niondrika teo amboniny, dia nidina, nihemotra ary niankohoka teo alohohan’ny polipitra, avy eo niverina, ka rehefa tampitra izany dia nitodika tany amin’ireo olona izy ary niteny hoe : “Ry olona, ​​tsy nanao izany aho afa-tsy ny mba hanarahanareo sy hianaranareo ny fivavako.” .
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Eo anelanelan'ny Azan roa dia misy swalat avy eo izy dia niteny tamin'ny fahatelo manao hoe : "Ho an'izay mila izany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
I Mpaminany (S.A.W) nampianatra anay ny vavaka Istikhara amin'ny raharaha rehetra tahaky ny fampianarany anay ireo Sorat ao amin'ny Coran ka niteny manao hoe : “Raha misy iray aminareo miahiahy momba ny zavatra iray, dia aoka izy hanao rakaat roa ankoatry ny vavaka tsy maintsy atao, dia miteny avy eo hoe : Allah ô, mangataka fitarihana Aminao amin’ny fahalalanao aho ary mitady fiarovana Aminao amin’ny alàlan’ny herinao, ary mangataka Aminao ny amin’ny fahasoavanao lehibe aho, satria Ianao mahefa fa izaho kosa tsy mahefa, ary Ianao no mahalala fa izaho dia tsy mahafantatra, ary Ianao no mahalala ny tsy hita maso rehetra, Allah ô, raha fantatrao fa mahasoa ahy ity zavatra ity amin’ny fivavahako sy ny fivelomako ary ny fiafaran’ny raharahako", na koa izy hiteny hoe : “Ny raharahako ankehitriny sy ny ho avy, dia ataovy ho ahy izy io ary ataovy mora amiko izany, dia tahio aho. Ary raha fantatrao fa ratsy amiko izany raharaha izany eo amin’ny fivavahako, ny fivelomako, ary ny fiafaran’ny raharahako”, na koa izy hiteny hoe : “amin’ny raharahako ankehitriny sy ny ho avy, dia esory amiko izany”. Ary avilio hiala amin’izany aho, ary tendreo ho ahy izay tsara na aiza na aiza misy azy, dia hoy Izy : “Ary nanonina ny anaran'ilay zavatra ilainy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Matetika i Ibn Zobair rehefa mamarana Swalat ataony dia miteny hoe : " Là ilàha illal-loàhou wahdahòu Là Sharìka-laho lahol-molkou wa lahol-hamdou wa howa an'là kolly Shayin-qadìr, là hawla walà qowwata illà billàhy, Là ilàha illal-làhou walà na'bodou illà iyyàhou, lahon-ni'mat wa lahol-fahdlou wa laht-thanàol-hasan, Là ilàha illal-làhou Mokhliswìna lahod-dìna walao karihal-kàfiròna " ary miteny koa izy hoe : " irak'Allah (S.A.W) dia mamerimberina ireo rehetra ireo isaky ny vita Soalat ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim