Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

75 of 665 cards

Clear filters
I Mpaminany (S.A.W) namaky tamin'ny Swalat Fajri ny : {Qol Ya-ayohal Kafirona} sy {Qol Howallaho Ahad}.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Azoko tamin'i Mpaminany (S.A.W) ny vavaka 10 Rakà : soalat roa Rakà alohan'ny zohr, ary roa rakà aoriany, ary roa rakà aorian'ny Maghrib any an-tranony, ary roa rakà aorian'ny Isha any an-tranony, ary roa rakà mialohan'ny fajri, izany dia fotoana tsy azo hidirana any amin'ny Mpaminany (S.A.W). Nilaza tamiko i Hafsa fa rehefa niantso ny mpanao Azan ary miposaka ny maraina mangiran-dratsy, dia nivavaka roa rakà izy, amin'ny filazana hafa : Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao rakà roa taorian'ny vavaka Zoma.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy moslim tamin’ny fitantarany rehetra
“Ry Bilal ô! Atsangano ny soalat, ampakao sasatra amin'alalan'izany izahay”.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd
"Raha miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma Iftahlì Abwàba rahamatika - Allah ô! Vohay amiko ny varavaran'ny famindram-ponao", ary rehefa miala izy, dia aoka izy hiteny hoe : "Allahomma innì As-aloka min fadhlika - Allah ô! Mangataka aminao ny fahasoavanao aho."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Izay nanadino nanao soalat dia aoka izy hanao izany rehefa mahatsiaro azy. Tsy misy fanoloana izany afa-tsy izany fanefana azy: {Ary atsangano ny soalat ho fahatsiarovana Ahy} [Tàhà: 14]."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
«Izay nandro tamin’ny andro zoma tahaky ny fandroana amin’ny Djanaba avy eo nandeha any amin’ny moske, dia ahazo valisoa tahaky ny nanao sorona rameva, ary izay nandeha tamin’ny ora faharoa dia tahaky ny nanao sorona omby, ary izay nandeha tamin’ny ora fahatelo dia tahaky ny nanao sorona ondry, ary izay nandeha tamin’ny ora fahaefatra, dia tahaky ny nanome akoho, ary izay nandeha tamin’ny ora fahadimy dia tahaky ny namoaka atody. Ka raha vao tonga ny Imam, dia mandeha maka toerana mihaino ny Khoutba avokoa ireo anjely mihaino ny fampatsiahivana».
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Te hanamboatra moske i Othmàn bin Affàn, saingy tsy tian’ny olona izany, ary tian'izy ireo dia ny hametrahana azy toy ny teo aloha, dia hoy izy : Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho niteny hoe: “Izay manamboatra moske ho an’Allah, Allah dia hanamboatra tahaka izany ao amin’ny Paradisa ho azy”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad