Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

75 of 665 cards

Clear filters
Nampianatra ahy ny Tashahhoud ny Irak'allah (S.A.W) tamin'izany ny tanako teo anelanelan'ny tanany, tahaka ny nampianarany ahy ny Sorah avy ao amin'ny kor’any: "Attahiyàto Lillàhi waswalawàto watwaybàto; Assalamo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo alaina wa a'là Ibadillahi swalihina. Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado anna Mohammadan a’bdohò warasòlohò". Amin'ny voambolana niarahan'izy roa nitatitra: " Ny tena marina fa Allah ilay Fiadanana (salam) fa rehefa mipetraka ny iray aminareo manao ny fivavahany, dia aoka hiteny manao hoe: Attahiyato Lillahi waswalawato watwaybato; assalàmo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo a’laina wa aa'la Ibadillahi swalihina, rehefa niteny izany izy dia ho azon'ny mpanompo mendrika rehetra ety an-tany sy any an-danitra ny hatsarana amin'ny fitenenana izany; Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado nna Mohammadan a’bdohò warasòlohò, orian'izany izy dia manao izay do'a tiany ho atao"
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Raha misalasala ny amin’ny vavaka ataony ny iray aminareo, ka tsy fantany hoe telo sa efatra rakat vitany, dia aoka izy hanaisotra ny fisalasalana, ary hanao izay azony antoka, avy eo izy miankohoka indroa alohan’ny famaranana (salam), raha nivavaka dimy rakat izy, dia lasa isa azo zaraina noho ilay fiankohofana roa, ary raha feno efatra rakat ny vavaka nataony, dia ho fanakiviana an’i Satana izany".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Aza mipetraka eo ambonin'ny fasana ianareo, ary aza manao Soalat eo aminy ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Izay miteny rehefa mandre ny mpiantso hoe: ‘Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho, wa anna mohammadan a'bdoho warasòloho, Radÿto billàhi Rabban Wabimohamadin Rasòlan wa Bil-Islami Dìnan, dia ho voafafa ny fahotany.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Niditra tao amin'ny moske ny irak'Allah, ary nisy lehilahy iray niditra sy nivavaka ary niarahaba an'ny Mpaminany (S.A.W), ka namaly izy ary niteny manao hoe : «Miverena mivavaka ianao, satria tsy mba nivavaka”, Dia niverina nivavaka tahaky ny nataony teo aloha ary nanatona an'ny Mpaminany (S.A.W) sady niarahaba azy. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Miverena mivavaka ianao fa tsy mbola nivavaka mihitsy", naveriny in-telo. Dia hoy izy : Mianiana amin’Ilay naniraka anao amin’ny fahamarinana aho ry Irak'Allah, fa tsy mahay tsara noho iny aho, koa ampianaro", dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Rehefa mitsangana hivavaka ianao dia mitenena Allah Akbar, avy eo mamakia izay vitanao amin'ny andininy masina Coran, avy eo mihondreha tsara ianao mandra-pahatonianao eo am-pihondrehana, dia mitsangana ianao mandra-pijoroanao mahitsy tsara, ary miankohofa mandra-pahatonianao eo am-piankohofana, dia miharena ianao mandra-pahitanao fa tafapetraka tsara ianao, Ary ataovy izany amin’ny vavaka rehetra ataonareo.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Rehefa mandre ny antso ho amin'ny vavaka ianareo (Azan) dia averenonareo izay lazain'ilay mpiantso."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Ny hafatra ankapoben'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa tonga taminy ny fahafatesana dia : “Ny Swalat sy izay eo ambany fahefanareo, mandra-pahatongan'ny Mpaminany niala aina sy sempotra tamin'ny tratrany, ary saika tsy nahavita namoaka izany ny lelany.
Mari-pototra رواه النسائي في السنن الكبرى وابن ماجه
“Izay manome voninahitra an’i Allah (soubhanallah) in-telo amby telopolo isaky ny aorian’ny swalat, ary midera an’I Allah (alhamdolillah) intelo amby telopolo, ary (Allaho Akbar)’ in-telo amby telopolo, izany dia sivy amby sivifolo, ary miteny amin'ny fahazatony hoe : "Lailaha Illallaho wahdaho La sharika laho, Lahol-molko walahol-hamdo wahowa ala-kolli Sha'in kadir, dia ho voafafa ny fahotany na dia toy ny rotran-dranomasina aza".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim