Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

8 of 665 cards

Clear filters
"Izay mamaky ny Ayatol-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no tsy hidirany ao amin'ny paradisa."
Mari-pototra Notantarain'i An-nasàì tao amin'ny Al-Kobra
“Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì Ibn Màjah ary Ahmad
Nitarika anay tamin’ny vavaka swalat ny irak’Allah (S.A.W) indray maraina ka niteny manao hoe : “Niatrika ve i ranona?” Hoy izy ireo : Tsia. Dia hoy izy : “Niatriaka ve i ranona?” Hoy izy ireo : Tsia. Dia hoy izy (S.A.W) : “Ireto vavaka roa ireto dia mavesatra indrindra ho an’ny mpihatsaravelatsihy, ary raha fantatrareo ny ao anatiny dia ho nanao izany ianareo na dia nandady, Ny laharana voalohany dia toy ny laharan'ny anjely, ary raha fantatrareo ny hasarobidin'izany, dia ho nirohotra ho amin'izany ianareo, ary ny vavaky ny olona miaraka amin'ny olon-kafa dia tsara noho ny fivavahany irery, ary ny fivavahany miaraka amin'ny olona roa dia tsara noho ny azy miara-mivavaka amin’ny olon-kafa, ary isaky ny maro dia tian’I Allah kokoa.”
Mari-pototra Notaterin'i Abo Daòd sy Nasày ary Ahmad
Ny hafatra ankapoben'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa tonga taminy ny fahafatesana dia : “Ny Swalat sy izay eo ambany fahefanareo, mandra-pahatongan'ny Mpaminany niala aina sy sempotra tamin'ny tratrany, ary saika tsy nahavita namoaka izany ny lelany.
Mari-pototra رواه النسائي في السنن الكبرى وابن ماجه
"Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
Noraisin'i Irak'Allah (S.A.W) tamin'ny tànany aho ary niteny izy hoe : "Ry Moaz, mianiana amin'I Allah aho fa tena tiako ianao", avy eo dia niteny hoe : Mametraka hafatra aminao aho ry Moaz aza avela mihitsy isaky aorian'ny vavaka ny miteny hoe : "Allahoumma Aainni Alaa-Zikrika Wa shokrika Wahosni ibadatika".
Mari-pototra Notaterin'i Abo Daòd sy Nasày ary Ahmad
Ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny teo anelanelan'ny fiankohofana roa : "Rabbighfirli Rabbighfirli - Tompoko ô!, Mamelà ahy, Tompoko ô!, Mamelà ahy."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad
"Izay manao rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy efatra aorian'izany, dia nataon'i Allah fady aminy ny afobe."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah ary Ahmad