Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

8 of 665 cards

Clear filters
“Ry olombelona, ​​mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, ​​dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
“Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì Ibn Màjah ary Ahmad
Ny hafatra ankapoben'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa tonga taminy ny fahafatesana dia : “Ny Swalat sy izay eo ambany fahefanareo, mandra-pahatongan'ny Mpaminany niala aina sy sempotra tamin'ny tratrany, ary saika tsy nahavita namoaka izany ny lelany.
Mari-pototra رواه النسائي في السنن الكبرى وابن ماجه
Nahita lehilahy iray nivavaka irery tao ambadiky ny filaharana ny irak'Allah (S.A.W) ka nasainy namerina ny vavaka nataony ilay lehilahy.
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
"Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
Ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny teo anelanelan'ny fiankohofana roa : "Rabbighfirli Rabbighfirli - Tompoko ô!, Mamelà ahy, Tompoko ô!, Mamelà ahy."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad
"Izay manao rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy efatra aorian'izany, dia nataon'i Allah fady aminy ny afobe."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah ary Ahmad
i Mpaminany (S.A.W) dia miteny eo anelanelan'ny fiankohofana roa hoe : "Allahomma- ghfirlì, warhamnì, wa à'finì, wahdinì, warzoqnì".
Tsara miaraka amin'ny porofo hafa Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad