Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

44 of 665 cards

Clear filters
Nisy lehilahy iray nanao ouzò ka namela toerana mitovy amin'ny hoho teo amin’ny tongony, Nahita azy ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Miverena ary manaova fidiovana (ouzò) tsara.” Niverina nanao ozò izy avy eo dia nanao soalat.
Marina miaraka amin'ny porofo hafa Notantaraiin'i Moslim
Ny Mpaminany (S.A.W) nanasa indroa, indroa tamin'ny ouzò.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
“Rehefa manao ozo ny iray aminareo ka manao ny kirarony, dia aoka hanao soalat miaraka aminy, ary aoka hisafo eo amboniny avy eo tsy esoriny raha tiany afa-tsy hoe tratry ny fahalotoana lehibe".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Dàrakotni
Rehefa mifoha amin'ny alina ny Mpaminany (S.A.W), miborosy ny vavany amin'ny siwak.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Hetezo ny volombava ambony ary alavao ny somotra."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nahita an'i Amr bin Abi Hassan aho nanontany an'i Abdollah bin Zaid ny amin'ny ouzon'ny Mpaminany (S.A.W), dia nangataka koveta feno rano izy, ka dia nanao ozoò ho azy ireo tahaka ny an'ny Mpaminany (S.A.W). Nalainy teo aminy ilay koveta dia nanasa ny tànany in-telo izy, dia natsofony tao anatin'ny koveta ny tànany naka rano ka nihotsam-bava sy nanadio ny orony ary namoaka ny rano avy ao anatiny, tamin'ny rano telo raon-tanana kely, avy eo dia nampidiriny tao ny tànany ary nanasa ny tavany in-telo, avy eo nanasa tànana in-droa hatreo amin’ny kiho, dia nampidiriny tao ny tànany ka nosafoiny ny lohany, teo aloha sy aoriana indray mandeha, avy eo izy nanasa ny tongony hatreo amin’ny kitrokeliny.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Naniraka ahy ny Mpaminany (S.A.W) tain'ny zavatra iray dia tratran'ny fahalotona lehibe aho nefa tsy nahita rano, ka nihosikosina tamin'ny vovoka aho toy ny biby mihosinkosina, avy eo tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) ka nolazaiko taminy izany, ka hoy izy : “Ampy ho anao raha niteny tamin’ny tànanao roa toy izao sy izao.” avy eo izy dia nikapoka ny tany tamin'ny tanany roa indray mandeha, avy eo nisafo ny tànana havia amin'ny havanana, ary ny ivelan'ny felatànany roa sy ny tarehiny.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tonga fotoana foana aho ka tsy madio, Ka hijanona tsy hivavaka ve aho? Dia hoy izy namaly: “Tsia, izany dia lalan-drà izany, fa atsaharo ny fivavahana Soalat mandritry ny andro naha-fadim-bolana anareo, dia avy eo mandroa ary mivavaha”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim