Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

44 of 665 cards

Clear filters
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ry irak'Allah ô, mandeha an-dranomasina izahay, ary mitondra rano kely miaraka aminay, ka raha manao ozo amin' izany izahay dia hangetaheta, ka afaka manao ozo amin'ny ranomasina ve izahay? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Madio ny ranony, ary azo hanina ny hazandrano maty ao".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah ary Ahmad
Isaky ny mandro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa ny tànana roa, avy eo nanao ozò tahaky ny ozò amin'ny soalat, avy eo dia nandro, avy eo dia manavasava ny volony tamin'ny tànany, mandra-pahazoany antoka fa tonga any amin'ny fakan'ny volony ny rano ary lena ny hodi-dohany, nandraraka rano in-telo taminy, avy eo nanasa ny vatany iray manontolo, dia hoy izy : Izaho sy ny Irak'Allah (S.A.W) nandro amin'ny koveta iray ary samy nanovo tao izahay roa. .
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nandeha teo amin’ny fanariam-pakon’ny olona iray izy ka namany am-pitsanganana, dia nihataka kely aho, dia hoy izy : “Manatona", Dia nanatona aho mandra-pijoroako teo akaikin’ny tongony, dia nanao ouzou izy ary nisafo teo amin'ny kirarony.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy misy mpino silamo iray manao Ouzo ka manao izany tsara, avy eo mitsangana mivavaka roa rakat, miatrika tsara izany ny fony sy ny tavany, afa-tsy ny paradisa azo antoka ho azy.” Hoy izy, niteny aho : Tsara tokoa izany. dia, avy eo nisy olona niseho teo anatrehako, niteny hoe : Ilay teo aloha no tsara kokoa, ka nijery azy aho, ka i Omar no niteny hoe : Hitako vao tonga teo ianao, hoy izy : “Tsy misy na iray aminareo manao Ozo feno - na manao azy tsara - navy eo miteny hoe : Ash'ahdo an-lailaha illaho wa anna Mohammadan Rasolollahi- izay midika hoe : Izaho dia mijoro ho vavolombelona fa tsy misy tompo marina afa-tsy Allah ary i Mohammad dia mpanompon’I Allah sy iraka avy Aminy, afa-tsy ny vavahady valon’ny Paradisa no misokatra ho azy, ary afaka miditra amin’izay tiany izy”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim