Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

33 of 665 cards

Clear filters
“I Satana dia mamatotra amin’ny lohan’ny iray aminareo, rehefa matory izy fatotra telo, ka isaky ny fatotra iray izy dia mikapoka ary miteny hoe: Mbola lava ny alinao ka matoria raha mifoha izy ka mahatsiaro an'I Allah dia mivaha ny fatorana iray, ary raha manao ozo izy dia mivaha ny fatotra iray, ary raha mivavaka izy dia mivaha ny fatorana iray, ka lasa mavitrika izy ary mahazo aina tsara, raha tsy izany dia lasa ratsy fanahy sy kamo.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Raha misy aminareo maheno zavatra ao an-kibony, ka misalasala izy raha nisy zavatra nivoaka avy ao na tsia, dia tsy tokony hiala ao amin’ny moske izy raha tsy mandre feo na mamerovero fofona.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tsy eken’i Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika.."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’ny Kiblat ary aza miamboho azy, fa aleo miantsinanana na miankandrefana.” Hoy i Abo Ayob : “Rehefa tonga tany Shami izahay dia nahita ireo kabone namboarina nitodika tany amin'ny kiblat, ka novainay izany ary mangataka famelan-keloka tamin’i Allah Ilay Tsitoha.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminareo rehefa mipipy, na misasa ny henatrany amin’ny tànany havanana, na miaina ao anaty vilia”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'zho bika minal-khobthi wal-khabàiith - izay midika hoe : Allah ô, mangataka fiarovana aminao aho amin’ireo devoly lahy sy devoly vavy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay tonga manatrika ny Swalat jom'an dia aoka izy hisaika".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim