Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

19 of 665 cards

Clear filters
“Ianareo rehetra dia tompon'andraikitra ka ho anontaniana amin'ny andraikiny. Ny mpitondra ny vahoaka dia tompon'andraikitra ary ho hanontaniana momba azy ireo, ary ny lehilahy kosa dia tompon’andraikitra amin'ny ankohonany ary ho hanontaniana amin’izy ireo, ary ny vehivavy dia tompon'andraikitra ny tranon’ny vadiny sy ny zanany, ary hanontaniana momba azy ireo, ary ny mpiasa dia tompon'andraikitra amin'ny fananan'ny lehibeny, ary izy dia ho antontaniana amin'izany, noho izany : Dia ianareo rehetra tompon'andraikitra ary ho hanontaniana amin'ny andraikinareo avy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy."
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
Fady amin'ny alalan'ny fampinonoana izay zavatra fady amin'ny alalan'ny rohim-pihavanana.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay akanjo ambanin'ny kitrokely dia ao amin'ny afo."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
“Izay manambady tsy nahazo alàlana avy amin’ny mpitaiza azy, dia tsy manan-kery ny fanambadiany - in-telo - ary raha nanao firaisana izy, dia azy ny vodiondry na inona na inona nitranga, ary raha mifanditra izy ireo dia ny manampahefana no mpiahy an’ireo izay tsy manana mpiahy.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
Naka lamba landy teny an-tànany havia ny irak’Allah, ary naka volamena teny an-tànany havanana, avy eo dia nanandratra ny tànany roa niaraka tamin’izy ireo izy ary niteny hoe : “Eny tokoa, voarara amin’ny lehilahy amin’ny vahoakako ireto, fa azon'ny vehivavy atao".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Nasày ary Ibn Màdjah
“Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy, fa ny fiandohan’ny fakam-panahy ho an’ny Zanak’Israely dia tamin'ny vehivavy.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Fahafinaretana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ny vehivavy hendry.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim