Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

11 of 665 cards

Clear filters
Ny reniny, zanak'i Rawaha nangataka ampahan-karena tamin'ny rainy ho an-janany, ka notehiriziny nandritra ny herintaona izany ary nasehony azy, dia hoy izy : Tsy ekeko izany, Mandra-pijoroanao ho vavolombelona amin’ny irak’Allah (S.A.W), Ka noraisin’ny raiko ny tànako fony aho mbola zaza tamin’izany fotoana izany, dia tonga tany amin’ny irak’Allah ka niteny manao hoe : Ry irak’Allah, ny renin’ity dia zanakavavin’i Rawaha, Tiany ny hijoroako vavolombelonna amin'izay nomeko ny zanany, ka hoy ny irak’Allah manao hoe : “Ry Bashir, manan-janaka hafa ankoatr’ity ve ianao?” Hoy izy : Eny, avy eo dia hoy izy : “Nomenao zavatra toy izao ve izy ireo?” Hoy izy : Tsia, hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Aza avela hijoro vavolombelona amin'izany aho, satria tsy mijoro vavolombelona amin'ny tsy rariny aho", ary amin'ny fitantaran'ny Moslim : "Dia ampijorory vavolombelona amin'ny olona ankoatra ahy".
Mari-pototra Notaterin'i Al-boukhàri sy Mouslimo ary manana teny maro samihafa.
“Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady azy, ary tsy hanao fifehezana amin'ireto andro roa ireto : Al-Fitr sy Al-Adha, ary tsy hivavaka aorian’ny Fajr mandra-piposahan’ny masoandro sy aorian’ny Asri mandra-pilentikiny , ary aza manao fitsidiana masina afa-tsy amin’ny moske telo: ny Moske Haram, ny Moske Al-Aqsa, ary ity moskeko ity”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ry vehivavy, mamoaha fanomezana, fa hitako anareo no ankamaroan’ireo mponin’ny Afobe. Hoy izy ireo : "Amin"ny inona ry Irak'Allah?". Dia niteny izy hoe : “Manamaro ny ozina ianareo, ary tsy mankasitraka ny ankohonanareo, tsy mbola ahita aho olona tsy ampy saina sy fivavahana noho ny iray aminareo izay vonona kokoa hankany amin’ny fon’ny olona hentitra.” Niteny izy ireo : Ary ahoana ny tsy fahampiana amin’ny fivavahana sy ny sainay ry irak’Allah? Dia hoy izy hoe : “Tsy mitovy amin’ny antsasan'ny fijoroana vavolombelona ataon’ny lehilahy ve ianareo vehivavy?” Hoy izy ireo : “Eny", dia hoy izy : “Izany no ilazana ny tsy fahampian’ny fahiratan-tsainy, ary moave raha tonga fotoana izy dia tsy mivavaka sy mifady hanina?". Hoy izy ireo : "Eny", dia hoy izy : “Izany no tsy fahampian'ny fivavahany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tandremo ny fidirana amin'ny vehivavy." Dia hoy ny lehilahy avy amin'i Answar: Ry irak'Allah, ahoana raha havam-bady? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Ny havam_bady mihitsy no fahafatesana”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nandrara ny fanaovana Qaz’aa ny irak’Allah (S.A.W).
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay manan-katao aminareo dia aoka izy hanambady, fa izany dia mampidina ny maso, sy miaro ny taovam-pananahana, ary izay tsy afaka kosa dia aoka izy hifehy, fa ho fiarovana ho azy izany."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ianareo rehetra dia tompon'andraikitra ka ho anontaniana amin'ny andraikiny. Ny mpitondra ny vahoaka dia tompon'andraikitra ary ho hanontaniana momba azy ireo, ary ny lehilahy kosa dia tompon’andraikitra amin'ny ankohonany ary ho hanontaniana amin’izy ireo, ary ny vehivavy dia tompon'andraikitra ny tranon’ny vadiny sy ny zanany, ary hanontaniana momba azy ireo, ary ny mpiasa dia tompon'andraikitra amin'ny fananan'ny lehibeny, ary izy dia ho antontaniana amin'izany, noho izany : Dia ianareo rehetra tompon'andraikitra ary ho hanontaniana amin'ny andraikinareo avy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Fady amin'ny alalan'ny fampinonoana izay zavatra fady amin'ny alalan'ny rohim-pihavanana.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim