Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

13 of 665 cards

Clear filters
Mpanome rano olona tao an-tranon’i Abo Talha aho, ary be dia be ny divain’izy ireo tamin’io andro io, ka naniraka olona hiantsoantso i Mpaminany (S.A.W) hoe : Tena marina fa efa voarara ny fisotroana toaka hoy izy : Dia niteny tamiko i Abo Talha manao hoe : Mivoaha ary ario izany ka nariako tokoa ireo toaka, ka niparitaka teny amin’ny araben’i Madina. Niteny ny olona sasany hoe : Nisy vahoaka novonoina raha mbola tao an-kibony izany, ka nampidinin'Allah ilay andininy masina hoe : {Tsy manan-tsiny amin’izay mino sy manao ny marina ny amin’izay nohaniny} [Al-Maidat: 93] ny andininy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
I Mpaminany (S.A.W) dia mahatsiaro sy midera an'i Allah tamin'ny fotoanany rehetra.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Rehefa ho faty i Abo Talib dia tonga tao aminy ny Irak'i Allah (S.A.W) ka nahita an'i Abo Jahl sy Abdollah bin Abi omayyah bin Moghirah teo aminy, dia hoy izy hoe : «Ry dadatoa,: lazao hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, teny izay hiadiako hevitra ho anao amin’i Allah.” Dia hoy Abo Jahli sy Abdollah bin Abi Omayyah : Tsy ho tianao intsony ve ny finoan’i Abdol Mottalib? tsy mitsahatra hatrany ilay Irak'Allah mampiteny azy izany ary naverimberin'izy roa tamin'i Abo Talib ihany koa ny teniny, Mandra-pahatongan'i Abo Talib nilaza ny teniny farany tamin'izy ireo hoe : Manaraka ny fivavahan'i Abdol Mottalib aho, ary nandà ny hiteny: Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Mianiana amin'I Allah aho fa hangataka famelan-keloka ho anao tokoa raha mbola tsy voarara amin'izany.” Teo dia nampidinin'i Allah ilay andininy masina nanambara hoe : Tsy anjaran'ny Mpaminany sy ireo mpino ny mangataka famelan-keloka ho an'ireo mpampitambatra (mpanompo sampy) [At-Taobah: 113], ary nampidinin'Allah tamin'i Abo Twalib ity andininy masina ity izay milaza amin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : {Tsy mitarika izay tianao ianao (ry Mohammad), fa Allah no mitari-dàlana izay tiany} [Al-Kasas: 56].
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Nambara tamiko ireo andininy - na nilatsaka - izay tsy mbola hita hatrizay hatrizay, dia ireo fiarovana roa."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim