"Izay tsy mamindra Fo amin'ny Olona, dia tsy hamindra ao aminy ihany koa i Allah ilay avo Tsitoha."
Tatitra azo avy tamin’i Jarir bin Abdillah Al-Qusri (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay tsy mamindra Fo amin'ny Olona, dia tsy hamindra ao aminy ihany koa i Allah ilay avo Tsitoha."
«مَنْ لَا يَرْحَمِ النَّاسَ لَا يَرْحَمْهُ اللهُ عَزَّ وَجَلَّ».
Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa na iza na iza tsy mamindra Fo amin’ny Olona dia tsy hamindra Fo Aminy ihany koa i Tompo Allah ilay avo Tsitoha ka ny fangorahan’ny Mpanompo iray amin’ny zavaboary no iray amin’ireo antony lehibe indrindra ahazoany ny famindram-pon’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha.
Ilaina ny fangoraham-po ho an’ny zavaboary rehetra, saingy tokony hotononina manokana ny Olona noho ny fiahiany Azy.
i Tompo Allah ilay avo Tsitoha no Mpamindra Fo indrindra ary mamindra Fo amin’ny Mpanompony be famindram-po, koa ny valisoa dia mitovy amin’ny Asa izay natao
Ny fangoraham-po amin'ny olona dia ny fanomezana Soa azy ireo, ny fandroahana ny Ratsy amin'izy ireo, ary ny fitondrana Azy tsara.
Sahìh Al-Bokhari (8/ 10) (6013).
Sahìh Moslim (4/ 1809) (2319).
Ny Fanampiny (5)
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (2/ 553).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين (1/ 247).
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 319).