Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany.
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) renin'ny mpino silamo ary vadin'ny Mpaminany (S.A.W) :
Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany.
أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ يَعْتَكِفُ العَشْرَ الأَوَاخِرَ مِنْ رَمَضَانَ، حَتَّى تَوَفَّاهُ اللَّهُ، ثُمَّ اعْتَكَفَ أَزْوَاجُهُ مِنْ بَعْدِهِ.
Nitatitra ny Renin'ny mpino Aisha (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao Itikaf fona nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, nitady ny Laylat al-Qadr, ary nanohy izany mandra-pialany teto an-tany ary nanao Itikaf koa ireo vadiny taorian'ny nahafatesany.
Azo atao ny Itikaf ao amin'ny moske, eny fa na dia ho an'ny vehivavy aza, eo ambanin'ny fanaraha-maso ara-dalàna sy amin'ny fepetra ho voaro amin'ny fakam-panahy.
Itikaf dia atao mandritra ny folo andro farany amin'ny Ramadany mba hitoetra tahaka nataon'ny Mpaminany (S.A.W).
Ny Itikaf dia Sonnah mitohy izay tsy nofoanana, satria ireo vadiny (R.A) dia nanao izany ihany koa tao aoriany.
Sahìh Al-Bokhari (3/ 47) (2026).
Sahìh Moslim (2/ 831) (1172).
Ny Fanampiny (4)
تيسير العلام.
لعبد الله البسام (ص351).
تنبيه الأفهام شرح عمدة الإحكام.
لابن عثيمين (3/ 474).