Skip to content

"Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".

«مَنْ يَقُمْ لَيْلَةَ الْقَدْرِ إِيمَانًا وَاحْتِسَابًا غُفِرَ لَهُ مَا تَقَدَّمَ مِنْ ذَنْبِهِ»

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Mampafantatra i Mpaminany (S.A.W) momba ireo fahasoavan'ny fitsanganana manompo Allah amin'ny alinan'ny lahatra izay hita ao amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary izay miezaka manatanteraka ny Swalat sy fangatahana Douan ary ny famakiana ny Koroany, ary ny fanaovana Zikr, mino sy manantena fahasoavana amin'izany, manantena ihany koa ny valisoa avy amin'Allah amin'ny asa rehetra izay vita, tsy misy fisehosehoana na fireharehana, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany.

ireo dikan-teny

إيمانًا: تصديقًا بالله وبوعده.

احتسابًا: طلبًا للثواب والأجر من الله عز وجل.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fahasoavan'ny alin'ny lahatra sy ny fampirisina ny amin'ny fitsanganana hanao asa fanompoana.

Ireo asa soa dia tsy ekena raha tsy miaraka amin'ny fikasana marina.

Fahasoavan'Allah sy ny indrafony, fa izay mitsangana amin'ny alin'ny lahatra amin'ny fanekem-pinoana marina sy ny fanantenana valisoa dia ho voavela ny Ota rehetra izay vitany.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 16) (35).

Sahìh Moslim (1/ 523) (760).

(2/ 846).

Ny Fanampiny (10)

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (14/ 435).

بهجة الناظرين.

لسليم الهلالي (2/ 337).

نزهة المتقين.

شرح النووي على مسلم (6/ 40).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (5/ 220).

شرح صحيح البخاري.

لابن بطال (4/ 21).