Skip to content

"Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, ary Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo

Tatitra azo avy tamin'i Abou Ayòb (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, ary Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo, dia toy ny nanafaka olona efatra amin'ny taranak'i Ismael".

«مَنْ قَالَ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ، عَشْرَ مِرَارٍ كَانَ كَمَنْ أَعْتَقَ أَرْبَعَةَ أَنْفُسٍ مِنْ وَلَدِ إِسْمَاعِيلَ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa izay niteny ny teny hoe : " Là ilàha illal-loàho Wahdahò là Sharìka-lahou lahol-molkou wa lahol-hamdou wa howa an'là kolly Shayin-qadìro," izay midika hoe : Tsy misy tompo marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa aminy, ary Izy dia Ilay manana ny fanapahan-kevitra tanteraka, ary mendrika ny hoderaina sy omem-boninahitra amim-pitiavana sy hajaina ka tsy misy ankoatra azy, ary Izy no Mahery Indrindra ary tsy ny misy tsy vitany. Na izay mamerina izany fahatsiarovana lehibe (Zikri) izany im-polo isan’andro; dia hahazo valisoa mitovy amin’ny tambin’izay nanala ny fanandevozana tamin’ireo andevo efatra tamin’ny taranak’i Ismail bin Ibrahim izy, ary ny taranak’i Ismaela no nisafidiany satria manan-kaja kokoa noho ny hafa izy ireo.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fahasoavana sy hasin’izany fahatsiarovana izany dia ahitana ny fanavahana an’Allah ilay Tsitoha amin’ny maha-tompo azy, ny fanapahan-kevitra sy ny fiderana ary ny hery feno.

Hahazo valisoa amin'ity fiderana ity izay miteny izany mifampitohy na koa misara-tsaraka.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 86) (6404).

Sahìh Moslim (4/ 2071) (2693).

Ny Fanampiny (8)

توضيح الأحكام من بلوغ المرام.

للبسام (7/ 533).

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (10/ 399).

فتح ذي الجلال والإكرام.

لابن عثيمين (6/ 465).

سبل السلام بشرح بلوغ المرام.

للصنعاني (2/ 703).