Skip to content

"Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho mba tsy ho dobon-trosa, sy resin’ny fahavalo, ary ny fifalian’ny fahavalo".

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amrio Ibn Al-Assi (R.A) niteny fa i Mpaminany (S.A.W) dia mangataka Doan amin'ireto teny ireto :

"Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho mba tsy ho dobon-trosa, sy resin’ny fahavalo, ary ny fifalian’ny fahavalo".

«اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ غَلَبَةِ الدَّيْنِ، وَغَلَبَةِ الْعَدُوِّ، وَشَمَاتَةِ الْأَعْدَاءِ».

Notantarain’i Al-Nasàì sy Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nitady fiarovana tamin'ireto raharaha ireto i Mpaminany (S.A.W) : Ny voalohany : (Allah ô, mitady fiarovana aho) ary mitady fialofana sy fiarovana (Aminao) aho fa tsy amin'ny olon-kafa, (amin'ny fanjakazakan'ny trosa) sy ny fampahoriana, ny tebiteby ary ny fahoriany, ary mangataka fanampiana Aminao aho amin'ny fandoavana ny trosa. Ny faharoa : (sy ny fandresen’ny fahavalo) ary ny fampahoriana sy ny fanjakany, ary mangataka Aminao mba hanala ny haratsiany ary hahazo fandresena aminy. Fahatelo : (sy ny firavoravoan’ny fahavalo) ny hafaliany noho ny fahoriana sy ny loza manjo ny mpino silamo.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Famporisihana hitady fialofana amin’I Allah amin’izay rehetra manelingelina ny fankatoavana sy mitondra fanahiana, toy ny fivavahana sy ny zavatra hafa.

Tsy misy maharatsy ny mitrosa, fa ny ratsy dia ny tsy mamerina ny trosa, ary izany no atao hoe dibon-trosa.

Tsy maintsy manalavitra ny zavatra iderana sy fanakianana azy ny olona iray.

Fanazavana ny fankahalan’ny tsy mpino ny mpino sy ny firavoravoan’izy ireo raha sendra loza.

Fampisehoan'ny fahavalo ny hafaliany amin’ny fahorian’ny olombelona dia mampitombo ny fahoriana ho azy.

Loharano iverenana

Sonan An-Nasàì (8/ 265) (5475).

Mosnad Ahmad (11/ 189) (6618).

Ny Fanampiny (6)

توضيح الأحكام من بلوغ المرام.

لعبد الله البسام (7/ 569).

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (10/ 450).

فتح ذي الجلال والإكرام.

لابن عثيمين (6/ 497).