"Ny fanompoana ao anatin'ny vanom-potoan'ny korontana dia toy ny fifindra-monina mankaty amiko."
Tatitra azo avy amin'i Maaqil Ibn Yasar (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny fanompoana ao anatin'ny vanom-potoan'ny korontana dia toy ny fifindra-monina mankaty amiko."
«الْعِبَادَةُ فِي الْهَرْجِ كَهِجْرَةٍ إِلَيَّ».
Nanoro làlana i Mpaminany (S.A.W) fa ao anatin'ny fotoan'ny korontana, ny fifandirana, ny famonoana ary ny fifangaroan'ny raharahan'ny olona, dia nanome toromarika ny olona hivavaka sy hifikitra amin'izany, ary ny valisoany dia toy ny fifindra-monina mankany amin'ny Mpaminany (S.A.W), fa ny olona tsy miraharaha ka variana amin'izany, ary ny tsirairay ihany no manokan-tena ho amin'izany.
Mamporisika ny fanompoana sy ny fitodihana amin’I Allah Tsitoha amin’ny andron’ny fakam-panahy; ho fiarovana amin’ny fakam-panahy sy fiarovana amin’ny fanimbana.
Fanazava ny hatsaran'ny fanompoam-pivavahana amin'ny fotoan'ny fakam-panahy sy ny fotoan'ny tsy fitandremana.
Ny mpino silamo dia tokony hiala amin'ny toerana misy fakam-panahy sy tsy fitandremana.
Sahìh Moslim (4/ 2268) (2948).
Ny Fanampiny (4)
كشف المشكل من حديث الصحيحين (2/ 42).
البحر المحيط الثجاج في شرح صحيح الإمام مسلم بن الحجاج (45/ 5).
بهجة الناظرين (2/ 455).
نزهة المتقين (ص942).