Tena marina fa i Tompo Allah dia namela ny vahoakako, noho Izaho, amin'izay hadisoana tsy fananihana na hadino na koa ny amin'ireo zavatra nanerena azy ireo fa tsy antsitrapo.
Niteny Ibn 'Abbaasy (R.A), fa ny Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) dia nilaza ka nanao hoe :
Tena marina fa i Tompo Allah dia namela ny vahoakako, noho Izaho, amin'izay hadisoana tsy fananihana na hadino na koa ny amin'ireo zavatra nanerena azy ireo fa tsy antsitrapo.
«إنَّ اللَّهَ تَجَاوَزَ لِي عَنْ أُمَّتِي الخَطَأَ وَالنِّسْيَانَ وَمَا اسْتُكْرِهُوا عَلَيْهِ».
Hoy ny Mpaminany nilaza fa : Namela ny heloky ny vahoakany i Tompo Allah amin'ny toe-javatra telo : Ny voalohany : Fahadisoana, izay tsy nahy, ka rehefa misy Mpino silamo mikasa amin'ny fanaovana zavatra, nefa ny zavatra nataony dia zavatra hafa noho izay nokasainy. Ny faharoa : ny fanadinoana, ka rehefa misy silamo mahatsiaro zavatra iray, nefa manadino izany rehefa teo am-panaovana azy. Tsy misy ota koa izany. Ny fahatelo : Fanerena. Mety noterena hanao zavatra tsy tiany ny mpanompo iray, na dia tsy mahatohitra ny fanerena aza. Amin'ity tranga ity dia tsy meloka amin'ny ota na fahasahiranana Izy. Marihina fa ny lohahevitry ny resaka eo amin’ny mpanompo sy ny Tompony dia ny fanaovana ireo zavatra voarara. Ny amin'ny fanadinoana ny zavatra voadidy dia tsy maninona. Raha toa ka mitarika heloka bevava anefa izany, dia tsy lany ny zon’ny zavaboary, toy ny hoe namono tsy nahy, ka tsy maintsy nandoa onitra, na nanimba fiara tsy nahy, dia tsy maintsy mandoa onitra.
Ny habezan'ny famindram-pon'i Tompo Allah - Ilay Avo tsitoha- sy ny hatsaram-panahiny amin'ny mpanompony, rehefa manaisotra ny ota amin'izy ireo Izy raha manota amin'ireo tranga telo ireo.
Ny fahasoavan'i Tompo Allah amin'ny Mpaminany Mohammadi (S.A.W) sy ny vahoakany.
Ny fanesorana ny fahotana dia tsy midika hoe manala ny didy na ny antoka. Ohatra, raha misy Olona manadino ny midio ka mihevi-tena ho madio, dia tsy misy ota Aminy izany fa tsy maintsy misasa sy mamerina ny vavakany Izy.
Mba hanalana ny fahotana amin’ny alàlan’ny fanerena dia tsy maintsy mahafeno ny fepetra sasany, toy ny fahafahan’ilay mpanery manatanteraka izay norahonany.
Sonan Ibn Màjah (3/ 200) (2045).
Al-Sonany Al-Kobra an'i Al-Bayhaqi (7/ 584) (15094).
Ny Fanampiny (5)
Al-arba'ouna An-nawawiyyah (ص127) (ح39).
التحفة الربانية في شرح الأربعين حديثًا النووية.
لإسماعيل الأنصاري (ص89).
شرح الأربعين النووية.
لابن عثيمين (ص382).
Cited in books
7 BooksNy Fanampiny (7)
- المختصر في آداب السفر وصفة الحج والعمرة وآداب الزيارة والأدعية الجامعة مع ملحق بالفتاوى والمخالفات6- فتاوى الحج والعمرة والزيارة (للحرمين)«رُفِعَ عَنْ أُمَّتِي الخَطأُ والنِّسْيانُ وَمَا اسْتُكْرِهُوا عَلَيهِ».
- سؤال وجواب حول الإسلام«رُفِعَ عن أُمَّتي الخطأَ والنِّسيانَ وما استُكْرِهوا عليهِ»
- شرح الأربعين النووية«إنَّ اللَّهَ تَجَاوَزَ لِي عَنْ أُمَّتِي الْخَطَأَ وَالنِّسْيَانَ وَمَا اسْتُكْرِهُوا عَلَيْهِ».
- صفة الحج«إِنَّ اللهَ تَجَاوَزَ عَنْ أُمَّتِي الْخَطَأَ وَالنِّسْيَانَ وَمَا اسْتُكْرِهُوا عَلَيْهِ»[33].
- فتاوى الحج والعمرة والزيارة«رفع عن أمتي الخطأ والنسيان وما استكرهوا عليه».
- فتاوى الحج والعمرة والزيارةفتاوى الحج والعمرة والزيارة (للحرمين)«رفع عن أمتي الخطأ والنسيان وما استكرهوا عليه».
- مجموعة زاد التفسير (1)التفسير 1«إِنَّ اللَّهَ وَضَعَ عَنْ أُمَّتِى الْخَطَأَ وَالنِّسْيَانَ وَمَا اسْتُكْرِهُوا عَلَيْهِ» .