Skip to content

"Allah ô! Tsy milavolefona aho afa-tsy Aminao, sy Ianao ihany no inoako, Ianao ihany no itokiako, Ianao ihany no iverenako (ibebahako) ary noho Ianao ihany no iadiako. Allah ô! mitady fiarovana amin'ny Voninahitrao, tsy misy Tompo marina afa-tsy Ianao, mba tsy havilinao làlana aho; Ianao no ilay Velona tsy mba maty, ny Djiny sy ny olombelona dia ho faty avokoa".

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Allah ô! Tsy milavolefona aho afa-tsy Aminao, sy Ianao ihany no inoako, Ianao ihany no itokiako, Ianao ihany no iverenako (ibebahako) ary noho Ianao ihany no iadiako. Allah ô! mitady fiarovana amin'ny Voninahitrao, tsy misy Tompo marina afa-tsy Ianao, mba tsy havilinao làlana aho; Ianao no ilay Velona tsy mba maty, ny Djiny sy ny olombelona dia ho faty avokoa".

«اللهُمَّ لَكَ أَسْلَمْتُ، وَبِكَ آمَنْتُ، وَعَلَيْكَ تَوَكَّلْتُ، وَإِلَيْكَ أَنَبْتُ، وَبِكَ خَاصَمْتُ، اللهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِعِزَّتِكَ، لَا إِلَهَ إِلَّا أَنْتَ أَنْ تُضِلَّنِي، أَنْتَ الْحَيُّ الَّذِي لَا يَمُوتُ، وَالْجِنُّ وَالْإِنْسُ يَمُوتُونَ».

Nifanekena, ary ity dia arakan'ny fomba voalaza ao amin'ny Moslim, ary notaterin'i Bokhari nohafohezina.
Mari-pototra
Ny fanazavana

Iray amin'ireo fitalahoan'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : (Allah ô, nanetry tena Aminao aho) ary nanaiky, (ary nino Anao aho) ary nino sy nanamafy, (Aminao no ametrahako ny fitokiako) ary nanankinana sy nianteherako, (Ary ianao no ibebahanako) ary niverenako sy noekeko, (Ary taminao no nifamaliako) ary nifandirako tamin’ny fahavalonao, (Allah ô, izaho mangataka fialofana aminao) miverina aminao, (amin’ny voninahitrao), amin’ny fiarovanao sy amin’ny fandresenao. (Tsy misy andriamanitra afa-tsy Ianao) ary tsy misy ivavahana marina afa-tsy Ianao, (izay mamitaka ahy) hizotra amin’ny fitarihana sy ny fahombiazana ho amin’ny fahafaham-ponao, (Ianao no Ilay Velona tsy maty) ary tsy ho levona, (ary maty avokoa ny jiny sy ny olombelona).

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny maha-ara-dalàna ny fanolorana fiderana an'I Allah mialohan'ny hangatahanao aminy isaky ny mitady zavatra aminy ianao.

Voadidy ny fianteherana amin’I Allah Tsitoha irery ary fangatahana fiarovana Aminy. Satria Izy no niavaka tamin’ny toetran’ny fahalavorarina, dia Izy irery ihany no azo ianteherana, ary ny zavaboary rehetra dia tsy afa-manoatra sy voafatotra amin’ny fahafatesana, ka tsy mendrika ny hianteherana.

Manaraka ny ohatra nasehon'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fitalahoana amin'ireo teny feno sy lafatra izay maneho ny fahamarinan'ny finoana sy ny fahatokiana tanteraka.

Hoy i Al-Sindi : Ny teniny (Ianao no velona) dia midika hoe : Ianao no tokony hangatahana fiarovana fa tsy olon-kafa.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (9/ 117) (7383).

Sahìh Moslim (4/ 2086) (2717).

Ny Fanampiny (8)

تطريز رياض الصالحين.

لفيصل آل مبارك (ص72).

فتح رب البرية بتلخيص الحموية.

لابن عثيمين (ص79).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (1/ 109).

مرعاة المفاتيح شرح مشكاة المصابيح.

عبيد الله المباركفوري (8/ 223).