Skip to content

“Hoy Allah : Manomeza, ry zanak’i Adama, dia hanome ho anao koa Aho”.

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Hoy Allah : Manomeza, ry zanak’i Adama, dia hanome ho anao koa Aho”.

«قَالَ اللهُ: أَنْفِقْ يَا ابْنَ آدَمَ أُنْفِقْ عَلَيْكَ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa tompo Allah niteny hoe : Ry zanak'i Adama, mamoaha - amin'ireo fandaniana tsy maintsy ilaina sy ny fandaniana an-tsitrapo ianao - dia hamaly anao Aho ary mbola averiko aminao izay navoakao no sady fenoiko fahasoavana lehibe".

ireo dikan-teny

....:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny famporisina amin'ny fanomezana sy famoahana swadaka amin'ny làlan'ny Tompo Allah.

Ny fandaniam-bola amin’ny asa soa sy fiantrana dia iray amin’ireo antony lehibe indrindra hahazoan'ny olona fahasoavana amin'ny anjarampivelomany ary hampitomboana izany, no sady mbola honeran’Allah amin'ny mpanompony izay laniny.

Io hadith io dia notantarain'ny Mpaminany (S.A.W) avy amin'ny Tompony, ka antsoina hoe Hadith AL-QUOUDSI (MASINA) na koa avy amin'Allah, satria avy amin'Allah ny teny sy ny heviny, saingy tsy manana lanja sy toerana mitovy amin'ny CORAN izay manavaka azy amin'ny zavatra hafa rehetra, toy ny fanompoam-pivavahana amin'ny alàlan'ny famakiana azy, ny fanadiovana, ny fanamby, ny fahagagana, sy ny sisa.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (7/ 62) (5352).

Sahìh Moslim (2/ 690) (993).

Ny Fanampiny (3)

شرح النووي على مسلم (7/ 79).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 603).