Skip to content

"Izay mangataka amin'I Allah ho maty maritiora amin'ny fahamarinana, dia homen'I Allah azy ny toeran'ny maritiora, na dia maty eo am-pandriany aza izy."

Tatitra azo avy amin'i Sahli bin Honaif (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Izay mangataka amin'I Allah ho maty maritiora amin'ny fahamarinana, dia homen'I Allah azy ny toeran'ny maritiora, na dia maty eo am-pandriany aza izy."

«مَنْ سَأَلَ اللهَ الشَّهَادَةَ بِصِدْقٍ بَلَّغَهُ اللهُ مَنَازِلَ الشُّهَدَاءِ، وَإِنْ مَاتَ عَلَى فِرَاشِهِ».

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa izay mitady ho maty Maritiora sy miady amin'ny làlan'i Allah, am-pahamarinana sy am-piniavana marina ho an'I Allah, dia homen'I Allah ny laharan'ny maritiora, noho ny finiavany marina, na dia maty teo am-pandriana aza izy fa tsy niady.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny finiavana amin-kitsim-po sy ny fanaovana izay arak'izay tratra no antony hanatratrarana ny valisoa sy tombotsoa nokasaina, na dia tsy nanatanteraka ny asa takina.

Famporisihana hirotsaka amin'ny ady masina sy hikatsaka ny ho maty maritiora amin'ny làlan'I Allah.

Tompo Allah Ilay Tsitoha dia manome voninahitra ity vahoaka ity, satria manome azy ny voninahitra ambony indrindra ao amin'ny Paradisa amin'ny asa kely.

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (3/ 1517) (1909).

Ny Fanampiny (4)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 123).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (1/ 87).