"Mahagaga tokoa ny fiainan'ny mpino, satria ny fiainany rehetra dia tsara avokoa, ary tsy hita amin'ny olon-kafa izany afa-tsy amin'ny mpino ihany
Tatitra azo avy amin'i Sohaib (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Mahagaga tokoa ny fiainan'ny mpino, satria ny fiainany rehetra dia tsara avokoa, ary tsy hita amin'ny olon-kafa izany afa-tsy amin'ny mpino ihany, raha ny zava-tsoa nahazo azy dia mankasitraka ka tsara ho azy izany, ary raha tra-pahorina dia miharitra ka tsara ho azy ihany koa".
«عَجَبًا لِأَمْرِ الْمُؤْمِنِ، إِنَّ أَمْرَهُ كُلَّهُ خَيْرٌ، وَلَيْسَ ذَاكَ لِأَحَدٍ إِلَّا لِلْمُؤْمِنِ، إِنْ أَصَابَتْهُ سَرَّاءُ شَكَرَ، فَكَانَ خَيْرًا لَهُ، وَإِنْ أَصَابَتْهُ ضَرَّاءُ صَبَرَ، فَكَانَ خَيْرًا لَهُ».
Mahagaga an'ny Mpaminany (S.A.W) ny raharahan'ny mpino sy ny toe-piainany amin'ny fomba mendrika. Izany dia satria tsara avokoa ny toe-piainany rehetra, ary tsy hita izany afa-tsy amin'ny mpino irery ihany; Raha nahazo zava-tsoa dia nankasitraka an'Allah, dia hahazo valisoa tamin'ilay fanakasitrahana izy, ary raha tra-pahorina dia niharitra sy nanantena valisoa avy amin'Allah izy, dia hahazo valisoa tamin'ilay fiharetana, ka izy dia hahazo valisoa amin'ny toe-piainany rehetra.
Valisoan'ny fankasitrahana amin'ny zava-tsoa sy fiharetana tamin'ny fahavoazana, ka izay manao izany dia hahazo hatsarana amin'ny tontolo anakiroa, ary izay tsy mankasitraka tamin'ny fahasoavana, sy tsy miharitra tamin'ny fahorina, dia very valisoa ary hahazo fahotana.
Ny valisoan'ny finoana, ary ny valisoa amin'ny toe-javatra rehetra dia natao ho an'ny olon'ny finoana ihany.
Ny fankasitrahana amin'ny zava-tsoa sy ny fiharetana amin'ny fahavoazana dia isan'ireo toetra mampiavaka ny mpino.
Ny finoana ny lahatr'i Allah sy ny anjarany dia mahatonga ny mpino ho faly tanteraka amin'ny toe-piainany rehetra, tsy toy ny tsy mpino izay tsy afa-po sy tezitra rehefa misy fahorina mahazo azy, ary raha mahazo fahasoavana amin'I Allah dia ampiasainy amin'ny fankatoavana Allah ilay Tsitoha, mba tsy handaniam-potoana amin'ny tsy fankatoavana azy.
Sahìh Moslim (4/ 2295) (2999).
Ny Fanampiny (6)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 82).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (1/ 197).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (1/ 59).
Cited in books
4 BooksNy Fanampiny (3)
- فتاوى المرضىفتاوى المرضى «عجبًا لأمر المؤمن، إن أمره كله خير، وليس ذاك لأحد إلا للمؤمن، إن أصابته سراء شكر، فكان خيرًا له، وإن أصابته ضراء صبر، فكان خيرًا له»
- مشروع المنهج التعليميمادة التوحيد مستوى 2«عَجَبًا لِأَمْرِ الْمُؤْمِنِ، إِنَّ أَمْرَهُ كُلَّهُ خَيْرٌ، وَلَيْسَ ذَاكَ لِأَحَدٍ إِلَّا لِلْمُؤْمِنِ، إِنْ أَصَابَتْهُ سَرَّاءُ شَكَرَ، فَكَانَ خَيْرًا لَهُ، وَإِنْ أَصَابَتْهُ ضَرَّاءُ، صَبَرَ فَكَانَ خَيْرًا لَهُ»
- نبراس طالب (3)نبراس طالب 3«عَجَبًا لأَمْرِ الْمُؤْمِنِ! إِنَّ أَمْرَهُ كُلَّهُ خَيْرٌ، وَلَيْسَ ذَاكَ لِأَحَدٍ إلاَّ لِلْمُؤْمِنِ، إِنْ أَصَابَتْهُ سَرَّاءُ شَكَرَ فَكَانَ خَيْرًا لَهُ، وَإِنْ أَصَابَتْهُ ضَرَّاءُ صَبَرَ فَكَانَ خَيْرًا لَهُ»