Skip to content

"Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'I Allah ny lelanao".

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Bosri (R.A) fa nisy lehilahy iray niteny hoe : Ô ry irak'Allah! Efa nihamaro sy mavesatra amiko ny lalàna islamika, ka lazao zavatra hataoko aho izay hifikirako mafy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) :

"Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'I Allah ny lelanao".

«لاَ يَزَالُ لِسَانُكَ رَطْبًا مِنْ ذِكْرِ اللَّهِ».

Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny lehilahy iray fa ny fanompoam-pivavahana an-tsitrapo dia nitombo loatra ka tsy afaka nanao izany noho ny fahalemeny izy, avy eo nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) mba hitarika azy ho any amin'ny asa tsotra izay hitondra valisoa lehibe ho azy izay hifikirany sy hazoiny tsara. Koa nitari-dàlana azy ny Mpaminany (S.A.W) mba hihazona ny lelany malefaka sy mihetsika amin'ny fahahatsiarovana matetika an’I Allah amin’ny fotoana sy ny toe-javatra rehetra. Toy ny fiderana, fisaorana, fitadiavana famelan-keloka, fitalahoana, sy ny hafa ankoatr'izany.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny hasin'ny fahatsiarovana tsy tapaka an'I Allah ilay Tsitoha.

Iray amin’ireo fahasoavana lehibe avy amin’I Allah ny fanamorana ny fomba hahazoana valisoa.

Samihafa ny olona amin'ny anjarany eo amin'ny lafiny fahamendrehena sy ny fahatsarana.

Ny fahatsiarovana an’I Allah matetika amin’ny lela, ny fiderana, ny fisaorana, ny fanokanana, ny fanomezam-boninahitra, sy ny sisa, miaraka amin’ny fo mirindra, dia maka ny toeran’ny asa fankatoavana an-tsitrapo maro.

Fitsinjovan'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanontany azy tamin’ny famaliana ny tsirairay araka izay sahaza azy.

Loharano iverenana

Sonan At-Tirmizì (5/ 388) (3375).

Sonan Ibn Màjah (4/ 707) (3793).

Mosnad Ahmad (29/ 226) (17680).

Ny Fanampiny (8)

جامع العلوم والحكم في شرح خمسين حديثا من جوامع الكلم.

لابن رجب الحنبلي (2/ 510).

التحفة الربانية في شرح الأربعين حديثًا النووية.

لإسماعيل الأنصاري (ص104).

فتح القوي المتين في شرح الأربعين وتتمة الخمسين.

للنووي وابن رجب (ص154).

الأحاديث الأربعون النووية وعليها الشرح الموجز المفيد.

لعبد الله بن صالح المحسن (ص93).