Skip to content

"Tsy ho voakasika ny afo mihitsy tongotry ny mpanompo rakotry ny vovoka tamin'ny fanaovana ny asan'I Allah."

Tatitra azo avy tamin'i Abo Abas Abd al-Rahman bin Jabr (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Tsy ho voakasika ny afo mihitsy tongotry ny mpanompo rakotry ny vovoka tamin'ny fanaovana ny asan'I Allah."

«مَا اغْبَرَّتْ قَدَمَا عَبْدٍ فِي سَبِيلِ اللَّهِ فَتَمَسَّهُ النَّارُ».

Notantarain’i Bokhari
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nanome vaovao mahafaly i Mpaminany (S.A.W) fa izay tratry ny vovoka eo amin'ny tongony eo am-pitolomana amin'ny asan'I Allah dia tsy hikasika azy ny afo.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Vaovao mahafaly ho an'izay miady amin'ny anaran'I Allah fa ho vonjena amin'ny helo izy.

Noresahiny ny tongotra, na dia mandrakotra ny vatana manontolo aza ny vovoka. Satria nandeha an-tongotra ny ankamaroan'ny manao jiady tamin'izany fotoana izany, ary lasa feno vovoka ihany koa ny tongony.

Hoy I Ibn Hajar : Raha ny fikasihana vovoka amin'ny tongotra fotsiny no mahatonga ny afo ho voarara; Ahoana àry ny amin’izay miezaka mafy sy mitolona mafy ka mandany ny fananany?

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (4/ 20) (2811).

(2/ 7) (907).

Ny Fanampiny (8)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (2/ 424).

التنوير شرح الجامع الصغير.

للصنعاني (7/ 361).

فيض القدير شرح الجامع الصغير.

للمناوي (5/ 437).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (2/ 911).