"Rendrika ireo mpihoam-pefy
Tatitra azo avy amin'i IBN MAS'ONDI (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Rendrika ireo mpihoam-pefy", Naveriny in-telo izany teny izany.
«هلك المُتَنَطِّعُون» قالها ثلاثًا.
Milaza i Mpaminany (S.A.W) mahakasika ny fahadisoam-panantenana sy ny fatiantok'ireo mahery fihetsika - noho ny amin'ny làlana diso sy tsy fahalalana izay nisy tamin'izy ireo, amin'ny raharaha ara-pinoan'izy ireo sy ny raharahan'ny fiainan'izy ireo eto an-tany, ary ny amin'ny teny izay naloakan'ny vavan'izy ireo sy ny asa izay nataon'izy ireo, ka izay nihoatra ny fetran'ny lalàna tamin'izy ireo amin'izay zavatra nandidiana azy ireo arakan'ny lalàna noentin'ny Mpaminany (SAW) tamin'izy ireo
....:
Fandrarana ny fihoram-pefy amin'ny raharaha rehetra izay efa voalaza, ary famporisihana ny mba tokony hialana amin'izany amin'ny zavatra rehetra; Indrindra ny amin’ny asa fanompoam-pivavahana sy fanomezam-boninahitra ny olo-marina
Mendri-piderana tokoa ny fitadiavana ny fomba rehetra mba ahatongavana amin'ny faha-fenoana eo amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny hafa ankoatr'izay; ary tsy maintsy atao manaraka ny lalàna ihany izany rehetra izany.
Tsara ny fanamafisana ny zava-dehibe, satria naverin'ny Mpaminany (S.A.W) in-telo io fehezanteny io.
Ny fahatsaran'ny Finoana silamo sy ny fahamorany.
Sahìh Moslim (4/ 2055) (2670).
Ny Fanampiny (4)
الجديد في شرح كتاب التوحيد.
للقرعاوي (ص180).
الملخص في شرح كتاب التوحيد.
لصالح الفوزان (ص167).
Cited in books
4 BooksNy Fanampiny (4)
- حراسة التوحيدإقامة البراهين على حكم من استغاث بغير الله«هَلَكَ المُتَنَطِّعُونَ» قَالَهَا ثَلَاثًا.
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 1 «هَلَكَ الْمُتَنَطِّعُونَ» قَالَهَا ثَلاَثاً.
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 8«هَلَكَ المُتَنَطِّعُونَ» قَالَهَا ثَلاثاً.
- مجموعة زاد الحديث(2)1«هلك المتنطعون - قالها ثلاثا»