Skip to content

"Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany."

Tatitra azo avy tamin'i Abi Said Al-Khodri (R.A) sy i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany."

«مَا يُصِيبُ الْمُسْلِمَ مِنْ نَصَبٍ وَلَا وَصَبٍ وَلَا هَمٍّ وَلَا حُزْنٍ وَلَا أَذًى وَلَا غَمٍّ حَتَّى الشَّوْكَةِ يُشَاكُهَا إِلَّا كَفَّرَ اللهُ بِهَا مِنْ خَطَايَاهُ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava ny irak'i Allah (S.A.W) fa izay manjo ny mpino amin'ny aretina sy ny asa loha, alahelo, fahasahiranana, fahoriana, fijalina, tahotra, ary hanoanana - eny na dia ny tsilo nahavoa ka mampangotsika azy - izany dia ho famafana ny fahotany sy famelana ny fahadisoany.

ireo dikan-teny

نصب: التعب.

وصب: المرض .

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fanazavana momba ny fahasoavan’Allah amin’ireo mpino mpanompony sy ny famindram-pony amin’izy ireo amin’ny famelana ny fahotana amin’ny alalan'ireo loza faran’izay kely manjo azy ireo.

Ny mpino silamo dia tokony hanantena valisoa avy amin'Allah amin'izay mahazo azy, ary hanam-paharetana amin'ny zavatra kely sy lehibe rehetra, mba hahazoany fisondrotana eo amin'ny toerany sy ny famafana ny ota.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (7/ 114) (5641).

Sahìh Moslim (4/ 1992) (2572).

Ny Fanampiny (11)

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (1/ 489).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (1/ 242).

شرح النووي على مسلم (16/ 126).

تطريز رياض الصالحين.

لفيصل آل مبارك (ص44).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 96).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمصطفى الخِن وغيره (1/ 70).