" Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah) ".
Tatitra azo avy amin'i JABIR (R.A) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny ka nanao hoe :
" Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah) ".
«أَفْضَلُ الذِّكْرِ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، وَأَفْضَلُ الدُّعَاءِ: الْحَمْدُ لِلهِ».
Manambara atsika i mpaminany (S.A.W) fa ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny fahatsiarovana ny fitenenana hoe : " LA ILAHA ILLA LLAHO ", izay midika fa tsy misy tompo Tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Tompo Allah, ary ny vavaka tsara indrindra dia ny fitenenana ilay teny hoe : AL-HAMDO LILLAHI, ary izy io dia fahatsapanao fa ny mpanasoa dia i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, ary mendrika ho Azy manokana ny deraina amin'ny fahafenoana tsara indrindra.
...:
Famporisihana ny amin'ny fitenenana im-betsaka ny teny fanokanana an'i Tompo Allah, sy fanaovana Hataka sy Douan amin'ny fitenenana AL-HAMDOU LILLAHI.
Sonan At-Tirmizì (5/ 393) (3383).
Ny Fanampiny (4)
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمصطفى الخِن وغيره (2/ 984).
زاد المعاد في هدي خير العباد.
ابن قيم الجوزية (1/ 36).