“Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”
Tatitra avy tamin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”
«أَمَا يَخْشَى أَحَدُكُمْ - أَوْ: لاَ يَخْشَى أَحَدُكُمْ - إِذَا رَفَعَ رَأْسَهُ قَبْلَ الإِمَامِ، أَنْ يَجْعَلَ اللَّهُ رَأْسَهُ رَأْسَ حِمَارٍ، أَوْ يَجْعَلَ اللَّهُ صُورَتَهُ صُورَةَ حِمَارٍ».
Manazava momba ny fandrahonana mafy ho an'izay manainga ny lohany mialohan'ny imam (mpitarika) azy amin'ny soalat ny Mpaminany (S.A.W) fa hataon'Allah ho lohan'ny apondra ny lohany, na hataon'Allah ho sarin'ny apondra ny endriny.
...:
Misy fomba fanao efatra ho an'ny olona tarihina manoloana ny imam: telo amin'izany no voarara, dia ny hoe : Mandeha alohany, miaraka aminy ary tara be. Ny azo atao : dia ny manaraka ny Imam.
Voadidy amin'ny olona tarihina ny fanarahana ny mpitarika amin'ny soalat.
Ny fandrahonana hanova ny tavan'olona mampiakatra ny lohany aloan'ny mpitarika ho endriky ny apondra dia azo atao, ary izany dia anisan'ny fiovana endrika ratsy indrindra.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 140) (691).
Sahìh Moslim (1/ 321) (427).
Ny Fanampiny (6)
الإلمام بشرح عمدة الأحكام.
لإسماعيل الأنصاري (1/ 111).
خلاصة الكلام شرح عمدة الأحكام.
لفيصل آل مبارك (ص65).
تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.
للبسام (ص133).