Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

72 of 665 cards

Clear filters
"I Al-Hasan sy Al-Hossein no lehiben'ny tanora ao amin'ny Paradisa."
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Rehefa nivoaka avy tao amin'ny lavapiringa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : " Ny famelanao ry tompo Allah".
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
"Na iza na iza mpino silamo mangataka zavatra ka tsy nisy fahotana na fanapahana rohim-pihavanana ny fangatahany, afa-tsy hoe omen'I Allah azy ny iray amin'ireto zavatra telo ireto : Na ho valiany avy hatrany ilay hataka izany, na ho tehiriziny ho azy any ankoatra, na foanana amin'ny alàlan'izany ny ratsy saika hahazo azy mitovy ny halehibiazan'ny hataka nataony", hoy izy ireo : Raha izany dia ho ataonay betsaka ny hatakay? Dia namaly Izy hoe : "Allah no manana betsaka indrindra".
Mari-pototra Notantarain'i Ahmad
“Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
I Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny lehilahy mitafy fitafin'ny vehivavy sy ny vehivavy mitafy fitafiny.
Mari-pototra Notaterin'i Nasày Ao amin'ny Kobra sy Ibno Màdjah amin'ny heviny ary Ahmadi
"Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah dia efa nikomy na nanompo sampy".
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
"Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'I Allah ny lelanao".
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
"Avelao izay mampiahiahy anao ka mankanesa any amin'izay tsy mampisalasala anao, satria ny fahamarinana dia fitoniana, ary ny lainga dia fisalasalana."
Mari-pototra Notaterin'i Tirmizi sy Nasày ary Ahmadi