عربي - Arabic English Qafár af - Afar Afrikaans - Afrikanns Akan Shqip - Albanian አማርኛ - Amharic Հայերեն - Armenian অসমীয়া - Assamese Azərbaycanca - Azerbaijani Bamanankan - Bambara Bassa Bemba বাংলা - Bengali Bosanski - Bosnian Български - Bulgarian မြန်မာဘာသာ - Burmese Bisaya - Cebuano Cham Нохчий - Chechen chiCheŵa - Chewa 中文 - Chinese Адыгэбзэ - Circassian Hrvatski - Croatian Česky - Czech Dagbani Dansk - Danish فارسی دری - Dari Dendi ދިވެހި ބަސް - Dhivehi Nederlands - Dutch إستوني - Estonian Suomi - Finnish Fon Français - French Fulfulde - Fula ქართული - Georgian Deutsch - German Ελληνικά - Greek ગુજરાતી - Gujrati Kreyòl ayisyen - Haitian Creole Hausa हिन्दी - Hindi Magyar - Hungarian Igbo Indonesia - Indonesian Italiano - Italian 日本語 - Japanese Jóola - Jola ಕನ್ನಡ - Kannada Қазақша - Kazakh ភាសាខ្មែរ - Khmer Kikuyu Ikinyarwanda - Kinyarwanda Ikirundi - Kirundi 한국어 - Korean كوردی سۆرانی - kurdish كوردي kurmancî - Kurmanji Kyrgyz ລາວ - Lao latviešu - Latvian Lingala lietuvių - Lithuanian Luganda Македонски - Macedonian Maguindanaon Malagasy - Malagasy Bahasa Melayu - Malay മലയാളം - Malayalam Mandinka मराठी - Marathi Mõõré - Moore नेपाली - Nepali أنكو - NKo Norwegian ଓଡ଼ିଆ - Odia oromoo - Oromo پښتو - Pashto فارسی - Persian Polski - Polish Portuguese ਪੰਜਾਬੀ - Punjabi Română - Romanian Русский - Russian Српски - Serbian Shona සිංහල - Sinhala Slovenščina - Slovenian Soomaaliga - Somali Soninke Sesotho - Sotho Español - Spanish Kiswahili - Swahili Svenska - Swedish Tagalog Тоҷикӣ - Tajik தமிழ் - Tamil తెలుగు - Telugu ไทย - Thai ትግረኛ - Tigrinya Türkçe - Turkish Türkmen - Turkmen Ukrainian اردو - Urdu ئۇيغۇرچە - Uyghur Ўзбек - Uzbek Việt Nam - Vietnamese Wolof Yao Yorùbá - Yoruba Zarma زولو - Zulu
665 Hadiths
Encyclopedia of Prophetic Hadiths
التصنيف الشرعي
Grading
Narrated in
Narrator
Rehefa nanao Takbir tamin'ny vavaka ny irak'Allah, dia nangina kely talohan'ny nitenenany, ka hoy aho : Ry irak'Allah ô, noho ny reniko sy ny raiko, inona no zavatra teneninao amin'ny fahanginana kely nataonao? Dia hoy izy namaly : “Miteny aho : Allah ô, halaviro amin’ny fahotako aho tahaka ny nanalaviranao ny Atsinanana sy Andrefana, Allah ô, diovy aho ho afaka amin’ny fahotako tahaka ny fanadiovana ny akanjo fotsy amin’ny loto“, Allah ô, sasao amin'ny fahotako aho amin’ny ranomandry sy ny rano ary ny havandra".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيصفة الصلاة، أذكار الصلاةموضوعات الحديثسنن الصلاة، صفة الصلاة
"Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيفضل صلاة الجماعة وأحكامها، أحكام الإمام والمأموم، أحكام المساجدموضوعات الحديثسنن الصلاة، صفة الصلاة، صلاة الجماعة
Izy dia nanao “Allaho Akbar” amin'ny vavaka tsy maintsy atao rehetra sy amin'ny hafa, amin’ny Ramadany sy amin'ny fotoana hafa, dia miteny “Allahou Akbar” izy rehefa mitsangana, avy eo dia miteny hoe “Allaho Akbar” rehefa miankohoka, avy eo miteny. : "Samiallaho liman hamidah, dia hoy izy : "Rabbanà Walakal-Hamdo", alohan'ny hiankohofany, avy eo izy miteny hoe: "Allahou Akbar" rehefa midina amin'ny fiankohofana ary reheha manainga ny lohany avy amin’ny fiankohofana, avy eo dia miteny hoe “Allaho Akbar” izy rehefa miankohoka, avy eo miteny hoe “Allahou Akbar” rehefa manandratra ny lohany avy amin’ny fiankohofana, avy eo miteny hoe “Allaho Akbar” rehefa mitsangana avy amin'ny fipetrahana teo amin'ny fiankohofarana roa, ary izany hatrany no ataony isaky ny rakaat mandra-pahavitany ny vavaka, avy eo dia miteny izy rehefa hiala manao hoe: Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Ny vavaka ataoko no mitovy kokoa amin'ny vavakin'ny irak'Allah raha oharana amin'ny anareo, ary toy izany no vavaka nataony mandra-pialany teto an-tany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيصفة الصلاة، أذكار الصلاةموضوعات الحديثمتابعة الرسول ﷺ، صفة الصلاة
Ny irak'I Allah dia manangana ny tànany eo an-tsorony rehefa manokatra ny fivavahana, sy rehefa manao Takbir amin'ny fiondrehana, ary rehefa nanandratra ny lohany tamin'ny fiondrehany dia nanandratra azy roa koa; avy eo dia miteny hoe : “Samiallaho Liman Hamida, Rabbana Walakal-hamdo", ary tsy nanao izany izy rehefa niankohoka.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيسنن الصلاة، صفة الصلاة، أذكار الصلاةموضوعات الحديثسنن الصلاة، صفة الصلاة
Nampianatra ahy ny Tashahhoud ny Irak'allah (S.A.W) tamin'izany ny tanako teo anelanelan'ny tanany, tahaka ny nampianarany ahy ny Sorah avy ao amin'ny kor’any: "Attahiyàto Lillàhi waswalawàto watwaybàto; Assalamo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo alaina wa a'là Ibadillahi swalihina. Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado anna Mohammadan a’bdohò warasòlohò". Amin'ny voambolana niarahan'izy roa nitatitra: " Ny tena marina fa Allah ilay Fiadanana (salam) fa rehefa mipetraka ny iray aminareo manao ny fivavahany, dia aoka hiteny manao hoe: Attahiyato Lillahi waswalawato watwaybato; assalàmo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo a’laina wa aa'la Ibadillahi swalihina, rehefa niteny izany izy dia ho azon'ny mpanompo mendrika rehetra ety an-tany sy any an-danitra ny hatsarana amin'ny fitenenana izany; Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado nna Mohammadan a’bdohò warasòlohò, orian'izany izy dia manao izay do'a tiany ho atao"
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيصفة الصلاة، أذكار الصلاةموضوعات الحديثأركان الصلاة، صفة الصلاة
“Nodidiana aho hiankohoka amin’ny taolana fito: Eo amin’ny handrina, ary nanondro teo amin’ny orony ny tànany, eo amin'ny tànany roa, sy ny lohaliny roa, sy ny tendron-tongotra roa, ary tsy aholona (apiakarina) ny akanjo sy ny volo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيمكروهات الصلاة، واجبات الصلاة، صفة الصلاة، أخطاء المصلينموضوعات الحديثصفة الصلاة، مكروهات الصلاة
Nisy andian-dehilahy maro tonga tany amin'i Sahl bin Sa'ad As-Sa'idi, ary izy ireo dia nifanditra momba ilay hazo nanaovana ilay polipitra,ka nanontany azy ny amin'izany izy ireo, dia hoy izy : "Miainiana amin'Allah aho, fa tena fantatro tokoa izany, ary izaho dia nahita izany tamin'ny andro voalohany nametrahana azy, sy tamin'ny andro voalohany nipetrahan'ny Irak'Allah (S.A.W) teo amboniny. Nandeha olona ny Irak'Allah (S.A.W) tany amin'ny vehivavy "Ansar" iray izay nantsoiny hoe Sahl -: “Ilazao ilay zanakao mpandrafitra handrafitra hazo ipetrahako rehefa miresaka amin’olona aho.” Dia nandidy azy izy, ka dia nataony izany, tamin’ny hazo an’ala, aorian'izany dia noentiny, ka dia nalefany tany amin'ny irak'Allah (S.A.W) izany ary nasainy nalaina ka napetrany teo amin'ny toerany. Taorian'izany dia hitako ny irak'Allah (S.A.W) nivavaka teo amboniny sy niteny hoe “Allahou Akbar” dia niondrika teo amboniny, dia nidina, nihemotra ary niankohoka teo alohohan’ny polipitra, avy eo niverina, ka rehefa tampitra izany dia nitodika tany amin’ireo olona izy ary niteny hoe : “Ry olona, tsy nanao izany aho afa-tsy ny mba hanarahanareo sy hianaranareo ny fivavako.” .
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيصفة الصلاة، أحكام الإمام والمأموم، أحكام المساجدموضوعات الحديثأحكام المساجد غير الحرمين، أحكام المسجد النبوي، صفة الصلاة
Rehefa nivavaka ny Mpaminany (S.A.W), dia namelatra ny tànany ka hita hatramin'ny fotsin’ny lambany eny amin'ny elika.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيسنن الصلاة، صفة الصلاةموضوعات الحديثسنن الصلاة، صفة الصلاة