Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

78 of 665 cards

Clear filters
“Tsy ho avy ny ora farany raha tsy efa mifanakaiky ny fotoana, ka ny taona iray ho toy ny volana, ary ny iray volana ho toy ny zoma, ary ny zoma ho toy ny andro, ary ny andro iray ho toy ny ora ary ny ora dia ho toy ny fandoroana hazo rofia".
Mari-pototra Notantarain'i Ahmad
التصنيف الشرعيأشراط الساعةموضوعات الحديثأشراط الساعة
Niteny zavatra i Mpaminany (S.A.W), ka hoy Izy manao hoe : “ Io dia amin’ny fotoanan’ny fanjavonan’ny fahalalana.” Hoy aho : “ Ry Iraka mahafatokin’i Tompo Allah ô, ahoana no hanjavonan’ny fahalalana, nefa isika mamaky ny CORAN ary ampianarintsika ny Zanakatsika ihany koa izany, ary ny Zanakatsika no mampianatra izany ny Zanany mandra-pahatongan’ny Andro farany ? Hoy Izy namaly hoe : “Loza ho an'ny Reninao ry Ziyad, Anao hitako anisan’ny manam-pahaizana indrindra eto Madina, moa tsy mamaky ny Torah sy ny Evanjil ve ireo Jiosy sy Kristianina ireo ? ” Nefa tsy mahay na inona na inona ao Aminy ? ! ".
Marina ho an'ny hafa Notantarain’i Ibn Màjah
التصنيف الشرعيفضل العلم، فضائل أعمال القلوب، فضائل أعمال الجوارح، أشراط الساعةموضوعات الحديثأشراط الساعة
"Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيقيام الليل، العشر الأواخر من رمضانموضوعات الحديثسعة فضل الله عز وجل، العشر الأواخر وليلة القدر، قيام الليل
" Nosaratan'i Allah ireo didy momba ny lahatra amin'ireo zavaboary talohan'ny Nanamboaran'i Tompo Allah ireo lanitra sy ny tany teo amin'ny dimy alina taona , ka hoy Izy nanao hoe : “ Ary eo ambonin’ny rano ny seza fiandrianany .”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
التصنيف الشرعيالإيمان بالقضاء والقدر، توحيد الأسماء والصفاتموضوعات الحديثالإيمان بالقدر خيره وشره
Teo aloha namaky ny Boky Torah tamin’ny teny Hebreo ny Olon’ny Boky ary nanazava izany tamin’ny vahoakan’ny Islam tamin’ny teny Arabo, hoy ny Irakan’i Tompo Allah hoe : “ Aza mino ny Olon’ny Boky Ianareo ary aza lavina ihany koa ny voalazan'izy ireo, Saingy lazao fotsiny ny hoe : { Mino an'i Tompo Allah Izahay sy ireo izay nampidininy Aminay } [Al-bakarat 136] Andininy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
التصنيف الشرعيتفسير الآيات، الكتب السابقةموضوعات الحديثالقرآن وعلومه، الإيمان بالكتب السماوية
Nisy Lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) Niteny ka nanao hoe : O ry Irak'Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Irak'Allah va Ianao ? " naveriny in-telo. dia Namaly Izy hoe : Eny, Niteny i Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : " izany dia mamafa Azy rehetra izany ".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Ya'la sy Al-Tabaràni ary Al-Diya' Al-Makdisi
التصنيف الشرعيفضائل التوحيد، الإيمان بالله عز وجل، الإيمان بنبينا محمد صلى الله عليه وسلمموضوعات الحديثأهمية التوحيد، سعة فضل الله عز وجل، الإيمان بالرسل عليهم السلاممحاور التعريف بالإسلامفوائد الدخول في الإسلام، النجاة بالدخول في الإسلام، النطق بالشهادتين
“Hisy vokany sy raharaha izay holavinareo.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah ô, inona no andidianao anay? Hoy izy : “Hataonareo izay adidy tokony ho anareo, ary mangataka amin’Allah izay anareo.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيحقوق الرعية على الإمام، حق الإمام على الرعية، أشراط الساعةموضوعات الحديثالصبر، أحكام الإمامة، أشراط الساعة
"Ny anjely dia tsy miaraka amin'ny vondrona izay misy alika na lakolosy."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
التصنيف الشرعيآداب وأحكام السفر، الملائكةموضوعات الحديثالإيمان بالملائكة