Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

27 of 665 cards

Clear filters
Niteny lehilahy iray ka nanao hoe : Oh ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Moa va ho sazina tokoa Izahay amin'ireo zava-bitanay tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana ? Namaly i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe : " izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay mihaona amin'i Allah nefa tsy nampitambatra Azy tamin'ny zavatra hafa dia hiditra ao am_paradisa, ary izay mifanena Aminy ka mampifandray fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Afobe."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
"Nodidiana aho hiady amin'ny olona mandra-pijoroan'izy ireo ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia irak'Allah, ary manangana ny soalat sy mandoa zakat, raha manao izany izy ireo dia voaro amiko ny ràn'izy ireo sy ny fananany, afa-tsy ny zon'ny silamo, ary ny fitsarana azy ireo dia any amin’I Allah.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Hoy izy tamin’ny irak’Allah : “Ahoana ny hevitrao raha sendra mifanena amin'ny lehilahy iray tsy mpino aho ka miady izahay, ka namely ny tanako iray amin’ny sabatra izy ka tapaka, dia nandositra niafina tao ambadiky ny hazo izy ary niteny hoe : “Nanolotena amin’Allah aho (hiditra ny finoana islam), ka vonoiko ve izy rehefa avy niteny izany ry Irak'Allah? Dia namaly ny irak'Allah hoe : "Aza vonoina izy." Dia hoy izy : ry irak'Allah! Izy nanapaka ny tànako iray avy eo niteny an'izany taorian'ny nanapahany azy? Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) : "Aza vonoina izy, fa raha mamono azy ianao dia ho eo amin'ny toerana nisy anao izy talohan'ny namonoana azy, ary ianao no ho eo amin'ny toerany talohan'ny nitenenany ny teny nolazainy io.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Izaho Niteny ka nanao hoe : O ry Irak'Allah, Ibn Jad'àny tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana dia manohy ny rom-pihavanana, ary mampisakafo ireo mahantra, ka nahasoa azy ve izany ? dia Hoy i Mpaminany (S.A.W) Namaly Azy ka nanao hoe : “ Tsy mahasoa Azy akory izany, izy tsy Niteny mihitsy na dia indray Andro fa hoe : Tompoko, mamela ny fahotako amin’ny Andro fitsarana”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Izay milaza amin’ny rahalahiny hoe : o ry tsy mpino, dia tanteraka amin'iray tamin’izy roa, raha tsy izany dia haverina aminy ny teniny.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim