Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

7 of 665 cards

Clear filters
“Izay mianiana ho toky dia tsy namantsika.”
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad
“ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana ".
Mari-pototra Notantarain'i Ahmad
“Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì Ibn Màjah ary Ahmad
"Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
"Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah dia efa nikomy na nanompo sampy".
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
"Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ny ody."
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad
Izaho niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny voyage, ka tafanantona azy aho indray andro rehefa teo am-pandehanana, ka hoy aho : ry Irakin’I Allah lazao amiko asa izay mampiditra ahy ao anaty Paradisa sy manalavitra ahy amin’ny afo be, dia namaly izy (S.A.W) nanao hoe : "Efa nanontany zavatra lehibe tokoa ianao, ary izy io dia ho mora amin'izay nankamoran'I Allah azy, manompo an’I Allah ary aza manambatra Azy amin’ny hafa, manangana vavaka, manome Zakat, mifehy amin’ny Ramadany, sy manao fivahinianana masina. Avy teo izy (S.A.W) niteny hoe : tianao ny hambarako anao ireo varavaran'ny hasoavana : ny fifehezana dia fiarovana, ny swadaka dia mamafa ny fahotana, tahaka ny afo izay mamono ny rano, ny Swalat ataon’ny lehilahy amin’ny sasak’alina".Nilaza izy: ary avy teo izy namaky ny : “Miarina avy eo am-pandriany izy ireo…” hatramin’ny : “nataon’izy ireo” {Alsadjidah 16- 17} Aorian'izany izy dia niteny hoe : tianao ve ny hilazako aminao ny lohan'ny zava-drehetra sy ny andriny, ary ny faran-tampony? Eny ry Irakin’I Allah hoy aho, ny lohan'ny zava-drehetra dia ny silamo, ary ny andriny dia ny Swalat, ary ny faran-tampony dia ny ady masina, ary avy eo izy niteny hoe : Tianao ve ny hilazako aminao ny zavatra izay hazahoanao azy rehetra izany? Eny hoy aho taminy. Dia notazominy ny lelany no sady niteny izy hoe : Tazomy mafy ity. Dia hoy aho taminy : Tsaraina amin’izay niteneninay koa va izahay? Dia niteny izy nanao hoe : Ho very anao ny reninao ry Moaz, Moa ve ny handoroana ny tarehin’ny olona na ny oron'izy ireo ao anaty afo afa-tsy vokatry ny teny noteneniny?
Marina amin'ny fomba nitaterana rehetra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad