Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

33 of 665 cards

Clear filters
" Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra. Amin'ny fotoana izay : { Tsy hisy tombotsoa ny finoana Azy ho an'ny Olona izay tsy nino teo aloha, na izay tsy nahazo valisoa na kely aza tamin'ny finoany } [ Al-Ana'm 158]. Ary hitsangana ny Andro farany ka ny lehilahy roa namelatra ny lamban'izy roa eo anelanelany, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray avy nitery ronon-drameva ka tsy tafisotro izany ary hitsangana tokoa ny ora farany ary nanamboatra kamorondranony nefa tsy tafisotro akory, Ary ho avy ny fotoana farany izay hanandratan’ny anankiray Aminareo ny haniny ho eo am-bavany nefa tsy hihinan-kanina.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Aseho amin'ny endrika ondry lahy mana-tandroko ny fahafatseana dia hiantso ny mpiantso ny amin'ny hoe : O Ry vahoakan'ny Paradisa, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, dia hoy Izy hoe : fantatrareo va ity ? Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, Satria ny rehetra dia efa nahita an'izany. Avy eo dia misy miantso hoe : Ry vahoakan'ny Afobe, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, ary niteny hoe : fantatrareo va ity ?, Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, ary ny rehetra dia efa nahita an'izany avokoa. Avy eo dia hovonoina Izy dia holazaina ny hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa hitoetra ao mandrakizay Ianareo ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, Ry vahoakan'ny Afobe hitoetra ao mandrakizay Ianareo ka tsy misy intsony ny fahafatesana. Avy eo Izy namaky ny andininy Soratra masina hoe : { Ampitandremo izy ireo amin'ny fotoan'ny fatiantoka rehefa tapaka ny raharaha rehetra nefa izy ireo dia varina } [Mariam 39], izy ireo dia varina teto an-tany { ary izy ireo dia tsy Mino } [Mariam 39]".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy ho lazaiko aminareo va ny momba ny mponin’ny Paradisa? Ny olona malemy fanahy sy manetry tena, raha mianiana amin'IAllah izy dia hovalinay, tsy hambarako aminao ve ny momba ny olon'ny helo : Dia izay miavonavona sy manambony tena".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Amin’ny andro farany, dia hanakaiky ny zavaboary ny masoandro mandra-pahatongan’ny halavirana iray maily (metatra) amin’izy ireo.” Hoy i Solaym bin Amir : “Mianiana amin'I Allah aho fa tsy fantatro izay atao hoe maily? Ny halaviran’ny tany, sa ny tehezan’ny maso, niteny Izy : “ny olona dia arakaraky ny asa soa vitany amin'ny hatsembohana, misy ny hoe eo amin'ny kitrokeliny, ary ny sasany eo amin'ny lohalika, ary ny sasany dia hatreo amin’ny valahany, ary ny sasany difitry ny hatsembohana.” Hoy izy : “Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanondro teo amin'ny vavany".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ny toerana ambany indrindra ho azon’iray aminareo any amin’ny Paradisa dia rehefa misy miteny aminy hoe : "Inona ny fanirinao, dia naniry izy, ary naniry zava-tsoa, dia hanontaniana izy hoe : "Efa nanao faniriana ve ianao?" Hoy izy : Eny, ary holazaina aminy hoe : Ho azonao izay nirinao ary izay mitovy amin'izany miaraka aminy".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
" Tsy ho tonga no sady tsy ho avy mihitsy ny Andro farany raha tsy miady amin'ny Jiosy avokoa Ianareo, mandra-pahatongavan'ny vato izay hiafenan'ny Jiosy hiteny hoe : Ry Mpino, misy Jiosy ao aoriako, ka vonoy Izy ."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nijery ny volana Izy indray alina - volana fenomanana - ka nilaza hoe : “ Fa ho hitanao tokoa ny Tomponareo tahaka ny fahitanao ity volana ity, Aza manahy ianareo ny amin’ny fahitana azy, ary raha azonareo atao ny tsy manao antsirambina ny vavaka alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany, dia ataovy izany.” Ary namaky izy ny andininy : “{Ary mankalazà ny fiderana ny Tomponareo alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehan’ny masoandro}»-
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy misy tompon’ny volamena na volafotsy izay tsy mahaloa izay tokony haloany, raha tsy amin’ny Andron’ny Fitsanganana amin’ny maty no hovelarana takela-afo ho azy, ary hafanaina ao amin’ny afobe izy, dia ho dorana miaraka amin' ny lanivoany sy ny handriny ary ny lamosiny, isaky ny mangatsiatsiaka, dia haverina aminy indray izany, amin’ny andro iray izay mitovy amin’ny dimy alina, mandra-pitsarany ny mpanompony, ka hahita ny làlany, na ho any amin’ny Paradisa na any amin’ny helo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim