Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

7 of 665 cards

Clear filters
“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Allah, dia naniraka an’i anjely Jibril (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy olona hiditra ao. Dia hoy i Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jibril, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny olona fa dia hiditra ao avokoa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
“Ao amin’ny Paradisa dia misy ambaratonga zato, ary ny elanelan’ny ambaratonga roa dia mitovy amin’ny elanelan’ny lanitra sy ny tany, ary ny AL-FIRDAWS no avo indrindra, ary avy ao no miboiboika ny loharano efatra ao amin’ny Paradisa, ary avy ao amboniny no hisy ny seza fiandrianana, Koa raha mangataka amin’I Allah ianao, dia angataho Aminy ny AL-FIRDAWS”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì
"Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
" Moave misy olona mipetraka eo amin'ny sezany ka tonga aminy ny Hadithe avy Amiko dia miteny Izy ka hanao hoe : Atsika efa manana Bokin'i Allah eo anatrehantsika Ka izay hitantsika fa Halaly dia ataontsika Halal, ary izay hitantsika fa Haram dia Ataontsika Haramo, Satria izay noraran'i Irak'i Allah dia toy ny noraran'Allah ihany izany".
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì ary Ibn Màjah
" Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia hametraka Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra izay nohariany amin'ny Andro farany , ka dia havelatra eo Aminy ny takelaka sivy ambiny sivifolo, ka isaky ny takelaka dia toy ny fara-taka-maso, avy eo dia ho lazaina Aminy ny hoe : lavinao va ireto, nanao tsy rariny Taminao va ireo Anjely izay mpandray an-tsoratra an'ireo asa izay niandraiketan'izy ireo ? ka Hilaza Izy ka hanao hoe : Tsia Tompoko; ka manana fialantsiny mahakasika ny amin'ny izany va Ianao, dia namaly Izy ka nilaza nanao hoe : Tsia Tompoko, ka noho izany dia ho lazaina Aminy : Eny fa manana tombotsoa iray ety Aminay Ianao, Satria tsy hambakaina Ianao androany, avy eo dia avohaka ny karatra iray izay misy ireo Fijorona vavolombelona fa tsy afaka manompo afa-tsy i Allah irery ihany ary i Mpaminany Mouhammadi (S.A.W) no Irany, ka lazaina ny hoe : Ento aty ho lanjaina ka hilaza Izy hanao hoe : O Ry Tompo Allah ! Inona no lanjan'ity karatra ity eo anatrehan'ireo takelaka maro be samy hafa ireo, Dia holazaina Aminy ny hoe : Tsy hambakaina Ianao Androany, Nilaza Izy : Natao teo ambonin'ny Mizana fandanjana ireny takelaka ary ny ilany nametrahana ilay Karatra, nipitika ireny takelaka ary navesatra ny karatra ka tsy misy zavatra havesa-danja eo anatrehan'i Allah mihoatry ny Anaran'i Allah".
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah
“Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin'ny nanapotehany azy".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì
Rehefa nilatsaka ny andininy masina hoe: {Eny, tsy maintsy hanontaniana ianareo, amin'izany andro izany, mikasika ireo anjaram-pahasoavana.} [At-Takàthor: 8] dia nilaza i Al-Zobayr hoe : Ry irak'Allah ô! Inona no karazana fahasambarana hanontaniana anay? Moave ny atrendry sy ny rano? Dia namaly izy : “Ho tanteraka izany.”
Tsara Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah