Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

63 of 665 cards

Clear filters
Tena marina fa i Tompo Allah dia Tompo tsara ary Izy tsy mandray afa-tsy ireo zavatra tsara ihany. Ary i Tompo Allah dia nandidy an'ireo vahoaka Mpino Silamo amin'izay zavatra nandidiany an'ireo Iraka; ka hoy Izy hoe : {Ô Ianareo Iraka, mihinàna amin’ireo zavatra tsara Ianareo ary manaova asa soa}. Ary niteny Izy hoe : {Ô Ianareo izay nino ! Mihinàna Ianareo amin’ireo zavatra tsara nomenay Anareo}. Avy eo Izy (S.A.W) nanome ohatra lehilahy iray izay manao dia lavitra, mikorontam-bolo sy feno vovoka, mampiakatra ny tanany amin'ny lanitra Izy, ka miantsoantso hoe : Tompo ô, Tompo ô ! Nefa ny sakafony Haramo, ny fitafiny Haramo, ary izy voky zavatra Haramo; ka amin'ny fomba ahoana no hivalian'ny fangatahana izay nataony ?
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Izaho dia naheno tamin'ny Mpaminany (S.A.W) dimy alina talohan'ny nahafatesany fa Izy niteny ka nanao hoe : " Izaho dia madio eo anatrehan'i Tompo Allah ary tsy mba manana sakaiza na dia iray Aminareo aza, Satria i Tompo Allah efa nandray Ahy ho sakaizany, tahaky ny nadraisany an'i Abrahama (A.S) ho sakaiza , Ka raha afaka nandray Olona natao ho sakaiza Aho amin'ity vahoako ity, dia mety noraisiko i Abo Bakri (R.A) ho sakaiza. Ka dia tena marina fa ireo vahoaka teo alohanareo dia nandray ny fasan'ireo Mpaminanin'izy ireo sy ireo Olona masina tamin'izy ireo ho toeram-pivavahana, ka eto Aho dia tena manakana Anareo ny amin'izany ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ry olombelona, Tompo Allah dia madio, ary tsy mandray (asa) afa tsy izay madio ihany, ary hamafisina fa ny zavatra nanirahan’I Allah ireo Iraka dia nanirahany an’ireo mpino ihany koa, ary niteny izy manao hoe : “Ô ianareo Iraka! mihinàna amin’ireo zavatra tsara sy madio ianareo, ary manaova ny soa, fa mahafantatra izay rehetra ataonareo Aho». (Al-mo'minona 51). Ary niteny ihany koa Izy manao hoe : «Ô ianareo mpino ! mihinàna ireo tsara sy madio amin’ny anjara izay nomenay anareo ianareo". (Al bakarah:173) rehefa avy eo izy (S.A.W) nitantara mikasika ny lehilahy iray mpandeha lavitra ka mikorontana sy feno vovoka ny volony nampiakatra ny tànany ho any amin’ny lanitra ka nangataka : Tompo oh! Tompo oh! nefa ny sakafony sy ny zava-pisotrony dia Haram, ary mihinana sakafo voarara izy, koa ahoana no hamaliana izany?
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony". Niteny izy : avy eo dia namaky ny andininy masina hoe : "Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny". [hòd :102]"
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Hoy Allah : nampandainga ahy ny zanak’i Adama nefa tsy manan-jo amin'izany izy, ary nanompa ahy izy nefa tsy manan-jo amin'izany, Koa ny fandaingana nataony, dia ny fitenenany hoe : Tsy hahavita hamerina ahy tahaka ny namoronany ahy Izy (Allah), ka tsy ny famoronana tamin'ny voalohany ve no sarotra kokoa noho ny mamerina izany, ary ny fanompana Ahy kosa dia ny fitenenana hoe : Allah naka zazalahy ho zanaka, nefa Izaho irery no hatrizay ary tokana, tafandrain'ny rehetra, sady tsy niteraka, na nateraka, ary tsy misy mitovy amiko".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Nisy fianakaviana tonga teo amin’ny Irak’Allah, ka nanao velirano tamin'ny sivy izy, ary natsahatrany ny iray. Hoy izy ireo : “Ry irak’Allah ô, nanao velirano tamin'ny sivy ianao ary natsahatrao ity? Hoy izy : “Ravaka ody”, ka natsofony ny tanany ary notapahiny izany, avy hatrany dia nanao velirano taminy izy tao aorian'izany, ary hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay niravaka ody dia nanao ny fanompoan-tsampy”.
Tsara Notantarain'i Ahmad
"Tsy misy mpanompo manafina kileman'ny mpanompo hafa eto an-tany, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganan'ny maty."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim