Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

63 of 665 cards

Clear filters
Hoy i Ali bin Abi Talib tamiko : Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Aza mianiana amin'ny Sampy na amin'ny razanareo."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
Mari-pototra Notantarain'i Moslim sy Ahmad
"Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
Arakan’ny nilazain’ny Mpaminany (S.A.W), momba ny zavatra notantarainy tamin'ny fahefan'ny Tompony, ilay avo Tsitoha, dia Nilaza izy ka nanao hoe : "Eny tokoa, fa i Tompo Allah dia nanoratra ny Asa tsara sy ny Asa ratsy, ary avy eo dia nazavainy avokoa izany. , ka na iza na iza mikasa ny hanao Asa soa nefa raha tsy nahavita nanao izany Izy, dia lasa efa nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa tanteraka izany, fa raha nikasa hanao izany Izy, dia nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa folo izany, ka hatramin’ny Fito in-jato, na im-betsaka, ary na iza na iza mikasa ny hanao ratsy nefa tsy nanao izany, dia hosoratan’i Tompo Allah ho Asa tsara tanteraka izany ary nosoratany ho Asa ratsy iray ho Azy izany .”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Izy dia niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny diany, dia niteny hoe : Naniraka Olona iray i Mpaminany (S.A.W) - ary ny olona rehetra dia tao an-tranony izy ireo : " Tsy hamela tady na rojo eo amin’ny vozon’ny rameva raha tsy tapaka."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niteny i Mpaminany (S.W.A) araka ny fanambarana izay azony tamin'Allah ilay avo Tsitoha "Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo. Ry Mpanompoko! Very avokoa aanareo afa-tsy izay nahitsiko, ka mangataha fahitsiana aty Amiko dia hanitsy Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Noana avokoa aanareo afa-tsy izay nampihinaniko, ka mangataha sakafo Amiko dia hampihinana anareo Aho. Ry Mpanompoko ! Niboridana daholo anareo afa-tsy izay nampitafiako, ka mangataha fitafiana Amiko ianareo dia hohampitafiko. Ry Mpanompoko! Manao hadisoana andro aman'alina ianareo, ary Izaho dia mamela ny fahotana rehetra, ka mangataha famelan-keloka Amiko ianareo dia hamela Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Ianareo dia tsy hahavita hanisy ratsy Ahy mihitsy ka hanimba Ahy, ary tsy hahavita hanao ssara Ahy ka hanasoa Ahy. Ry Mpanompoko! Raha toa ka ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo feno fahatahorana (an'Allah) mitovy amin'ny fon'Olona izay tena manam-pahatahorana eo aminareo, dia tsy mampitombo na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo ratsy mitovy amin'ny fon'Olona ratsy indrindra eo aminareo, dia tsy mampihena na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, niara-nijoro amin'ny toerana iray, ary nangataka Amiko, dia samy nomeko an'izay nangatahiny ny tsirairay, dia tsy mampihena ny aty Amiko izany, fa toy ny fanjaitra navarina tao amin'ny ranomasina ka mitondra rano kely avy ao. Ry Mpanompoko! asanareo ihany io, angoniko ho anareo, dia omeko anareo feno ny valiny, ka izay nahazo vokatra tsara dia aoka hankasitraka an'Allah, fa izay nahazo ankoatra izany kosa dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nitantara tamin'ny irak'Allah i Ommou Salama momba ny fiangonana hitany tany amin'ny tanin'i Abyssinia, antsoina hoe Maria, ka nolazainy taminy ny zavatra hitany tao momba ny sary vongana. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske eo ambonin’ny fasany, ary anamboaran'izy ireo sary eo aminy, ireo no zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim