Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

16 of 665 cards

Clear filters
Nisy niteny sy nilaza hoe : O ry irak'Allah, iza tokoa no ho sambatra indrindra amin'ny fanelanelanana izay mbola hataonao amin'ny Andro farany Andro ny fitsanganana amin'ny maty ? dia Hoy ilay irak' Allah namaly ka nanao hoe : “ Nihevitra Aho, ry Abou Houraira, fa tsy hisy Olona hanontany Ahy mihintsy ny momba an'io Hadith io talohanao, ka noho ianao hitako mifikitra mafy amin'io Hadith io, ka Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Tena marina fa i Tompo Allah dia Tompo tsara ary Izy tsy mandray afa-tsy ireo zavatra tsara ihany. Ary i Tompo Allah dia nandidy an'ireo vahoaka Mpino Silamo amin'izay zavatra nandidiany an'ireo Iraka; ka hoy Izy hoe : {Ô Ianareo Iraka, mihinàna amin’ireo zavatra tsara Ianareo ary manaova asa soa}. Ary niteny Izy hoe : {Ô Ianareo izay nino ! Mihinàna Ianareo amin’ireo zavatra tsara nomenay Anareo}. Avy eo Izy (S.A.W) nanome ohatra lehilahy iray izay manao dia lavitra, mikorontam-bolo sy feno vovoka, mampiakatra ny tanany amin'ny lanitra Izy, ka miantsoantso hoe : Tompo ô, Tompo ô ! Nefa ny sakafony Haramo, ny fitafiny Haramo, ary izy voky zavatra Haramo; ka amin'ny fomba ahoana no hivalian'ny fangatahana izay nataony ?
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ry olombelona, Tompo Allah dia madio, ary tsy mandray (asa) afa tsy izay madio ihany, ary hamafisina fa ny zavatra nanirahan’I Allah ireo Iraka dia nanirahany an’ireo mpino ihany koa, ary niteny izy manao hoe : “Ô ianareo Iraka! mihinàna amin’ireo zavatra tsara sy madio ianareo, ary manaova ny soa, fa mahafantatra izay rehetra ataonareo Aho». (Al-mo'minona 51). Ary niteny ihany koa Izy manao hoe : «Ô ianareo mpino ! mihinàna ireo tsara sy madio amin’ny anjara izay nomenay anareo ianareo". (Al bakarah:173) rehefa avy eo izy (S.A.W) nitantara mikasika ny lehilahy iray mpandeha lavitra ka mikorontana sy feno vovoka ny volony nampiakatra ny tànany ho any amin’ny lanitra ka nangataka : Tompo oh! Tompo oh! nefa ny sakafony sy ny zava-pisotrony dia Haram, ary mihinana sakafo voarara izy, koa ahoana no hamaliana izany?
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Hoy Allah : nampandainga ahy ny zanak’i Adama nefa tsy manan-jo amin'izany izy, ary nanompa ahy izy nefa tsy manan-jo amin'izany, Koa ny fandaingana nataony, dia ny fitenenany hoe : Tsy hahavita hamerina ahy tahaka ny namoronany ahy Izy (Allah), ka tsy ny famoronana tamin'ny voalohany ve no sarotra kokoa noho ny mamerina izany, ary ny fanompana Ahy kosa dia ny fitenenana hoe : Allah naka zazalahy ho zanaka, nefa Izaho irery no hatrizay ary tokana, tafandrain'ny rehetra, sady tsy niteraka, na nateraka, ary tsy misy mitovy amiko".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
"Tsy misy mpanompo manafina kileman'ny mpanompo hafa eto an-tany, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganan'ny maty."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy ny irak’Allah : “Niteny Allah ilay Tsitoha : Izaho dia ao an-tsain’ny mpanompoko, ary Izaho momba azy rehefa mahatsiaro Ahy izy, ka raha mahatsiaro Ahy ao an-tsainy izy, dia tsaroako fa ao amiko, ary raha manonona Ahy eo amin'ny toerana iray izy, dia hahatsiaro azy eo amin'ny toerana tsara noho izany aho, Ary raha manatona ahy amin'ny irain-jehy izy, dia manatona azy amin'ny hakiho aho, ary raha manatona ahy amin'ny hakiho izy, dia manatona azy amin'ny hakiho lava aho, ary raha manatona ahy am-pandehanana mora izy, dia manatona azy amin'ny dia maika aho”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany, avy eo izy dia miteny manao hoe : "Iza no miantso Ahy ka hovaliako? Iza no mangataka amiko ka homeko? Ary iza mangatam-pamelana amiko fa hamela azy aho?".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim